• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Miami Toamasina
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 15 jona izao ny MIAMI Toamasina

07/06/2024 14:41 © Moov

Ela no niandrasana. Afaka ho ampisaina amin’izay ny MIAMI (MIray hina Ary MIfankatia) ao Toamasina. Hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny 15 jona izao amin’ny 2 ora tolakandro ity toerana ity. Hitohy ny alahady 16 jona izany fotoan-dehibe izany.

Hisokatra avokoa ireo toerana rehetra

Zaridaina iray lehibe, manaraka ny filàn’ny mponina ao Toamasina ity MIAMI ity. Afaka hisitraka ny fotodrafitr’asa rehetra ao anatin’ity toerana lehibe ity amin’izay ireo mpitsidika. Marihina fa efa nisy ny fisokafan’ity toerana ity nandritra ny telo andro ny volana novambra lasa teo. Tamin’izany dia mbola nisy ireo toerana tsy azo nidirana. Amin’izao fahavitany tanteraka izao dia afaka ho tsidihina avokoa ny toerana rehetra manerana ilay 1.6 kilaometatra. Tafiditra ao anatin’izany ny « parc Miami ahitana ny kiosque coquillage », ao ihany koa ny « jardins des amoureux », ny « place Badamier » ary ny village kiosque izay ahitana ireo mpivarotra isan-karazany. Etsy andaniny dia samy hahazo ny anjarany avokoa ny rehetra. Ahitana toerana filalaovam-baolina « basket » ihany koa ao, misy ny sehatra hanaovana fanatanjahantena na ny « espace workout » ary ny « skate park » ho an’ireo izay mankafy izany. Anisan’ny hanamarika io fankalazana io ihany koa ny fampisehoana amin’ny alalan’ny rano na ny « jet d’eau » izay halefa isaky ny adiny iray.

Hampiakarana ny toe-karena ao an-toerana

Tsy vitan’ny fanatsarana ny sisin-dranomasina sy ny toeram-pivarotana ihany ny asa natao ao amin’io toerana lehibe io, raha ny fanazavan’i Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Toamasina Andrenivohitra. Tao anatin’izany ny fampiofanana ireo vehivavy izay hivarotra ao an-toerana. Ny tanjona tamin’izany moa dia ny mba hanampiana azy ireo mba hanatsarany ny velontenany. Mifandray amin’izany ihany koa ny fampidirana ireo mpivarotra ao anatin’ny toerana manara-penitra. « Hatramin’ny voalohany dia anisan’ny tanjona lehibe indrindra ny hisarihana ny mpizahatany ka tsy maintsy hampanarahana fenitra ireo hiasa amin’io toerana io. Rehefa mitombo ny mpizahatany dia mitombo ny vola miditra, na amin’ireo hôtely, toeram-pisakafoanana, mpivarotra eny amin’ny tsena ary ireo mpisehatra amin’izany rehetra », hoy ny Benan’ny Tanànan’ny Toamasina.
Eo amin’ny vavahady fidirana eo ampitan’ny « Résidence » kosa no handraisana ny tapakila fidirana 500 ariary.

Lire la suite

Articles Similaires