• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fédération Malagasy De Tennis
Image
Vaovao

Fanatanjahantena - tennis : Hanomboka ny 15 jona izao ny fiadiana ny amboara isam-paritra ao Vakinankaratra

07/06/2024 12:54 © Moov

Hanomboka ny 15 jona ho avy izao ny fiadiana ny amboara isam-paritra ao Vakinankaratra amin’ny taranja « tennis ». Haharitra iray volana mahery izany ka hifarana ny 28 jolay ho avy izao. Hotanterahina miaraka avokoa ireo lalao amin’ny sokajy rehetra manomboka amin’ny ankizy sy tanora ary ireo vétérans, lahy sy vavy.

Sokajy rehetra

Samy hotanterahina mandritra io fotoana io avokoa ireo lalao rehetra amin’ny salan-taona rehetra izay misy. Ao amin’ny tokotaniben’ny Academie Militaire (ACMIL) Antsirabe no hanatanterahana izany ny 15 jona hatramin’ny 28 jolay izao. Handray anjara amin’izany avokoa araka izany, manomboka amin’ny U12, U14 ary ny U16 ho an’ireo tanora lahy sy vavy. Ireo mihoatra ny dimy amby dimampolo taona kosa no handray anjara amin’ireo lehilahy. Afaka handray anjara kosa ireo véhivavy tafiditra ao anatin’ny « quatrième série hatramin’ny première série » miaraka amin’ireo lehilahy sasany. Tafiditra ao anatin’ny sokajy « véterans » avokoa ireo farany rehetra ireo. Samy hampiseho ny fahaizany amin’izany avokoa ny mpilalao. Hisitraka loka amin’izany avokoa ny tompondaka sy ny tompondaka lefitra amin’ireo lalao rehetra.

Tetiandro

Hifarana rahampitso 8 jona amin’ny 10 ora ny fisoratana anarana ho an’ny « véteran sy ny double ao amin’ny vondrona A, B, C ». Avy hatrany dia hiditra amin’ny antsapaka izy ireo ny tolakandro ka ny 11 jona no hivoaka ny tetiandro. Hanomboka ny sabotsy 15 jona kosa ny fifandrinana amin’ireo sokajy ireo. Hofaranana ny sabotsy 27 jolay sy alahady 28 jolay kosa ny dingana famaranana miampy ny fanolorana ny loka.
Ankoatra izany, mbola ny 29 jona kosa no hifaranan’ny fisoratana anarana ho an’ny sokajy hafa rehetra sy ny tanora na ireo U12, U14 ary ny U16. Ny tolakandron’io ihany no hatao ny antsapaka ary ny 2 jolay no hivoahan’ny tetiandro hifaninanan’ny tsirairay. Ny 6 jolay no hanomboka ny lalao ary hofaranana ny 27 sy 28 jolay ihany koa. Marihina fa ao amin’ny ACMIL avokoa ireo lalao rehetra ireo no hotanterahina.

Lire la suite

Articles Similaires