• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fikarohana sy toekarena manga : Hiara-hiasa akaiky ny ministeran’ny Jono sy ny Fakiolten'ny Siansa

07/06/2024 11:32 © Moov.Mg

Ho fampiroboroboana ny fitantanana ny jono sy ny ranomasina, dia niroso tamin’ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Fakiolten'ny Siansa eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.

Fifanarahana 5 taona

Midadasika ny ranomasina ka marobe ny lafin-javatra mbola tsy voafehy momba ny fitantanana azy sy ireo hazan-drano ao anatiny. Manankarena anefa i Madagasikara, raha ny zava-manan’aina sy ireo rehetra azo trandrahana momba ny ranomasina no resahana. Araka izany, ilàna manam-pahaizana ny fampiroboroboana ireo sehatra rehetra mifandray amin’ny ranomasina. Noho izany indrindra dia hiara-hiasa akaiky, manomboka izao, ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Fakiolten'ny siansa eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Nanatanteraka izany fanaovan-tsonia izany teny Ampandrianomby, omaly, ny sekretera jeneralin'ny Ministera, Tilahy Desiré sy ny Sojaben'ny Fakiolten'ny Siansa, ny Profesora Rakotondramanana Hery Tiana. Haharitra 5 taona ny fifanaraham-piaraha-miasa ary azo havaozina izany raha ahitam-pahombiazana.

Fifanakalozana traikefa

Tanjon’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ny hisian’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, indrindra ny fizarana ireo antontan-kevitra momba ireo voka-pikarohana siantifika miompana amin'ny sehatry ny Jono sy ny karazan-javamanan'aina an-dranomasina. Azo antenaina ihany koa fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta dia hanatsara ny haitondra eo amin'ny fitantanana ny tontolon’ny jono sy hampiroborobo ny toekarena manga eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo teknisianina isan-tokony eo anivon’ny ministera, fa ihany koa, ny fanamorana sy fanampiana ireo mpianatra manao asa fikarohana mifandraika amin’ny tontolon’ny jono sy ny ranomasina. Araka ny fantatra dia ity no fifanarana faha-31 nataon'ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, hatramin'ny niverenany ho Ministera mahaleo tena indray.

Lire la suite

Articles Similaires