• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Trangana hain-tany : Nitombo hatrany amin’ny 29% nanomboka tamin’ny taona 2000

07/06/2024 10:12 © Moov.Mg

Miatrika ady sarora ny natiora amin’izao fotoana izao. Miatrika ambana isan-karazany ny rohivoahary izay iankinan’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany dia nampita hafatra andriamatoa Issa Sanogo, mpandrindra maharitry ny asan'ireo sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, mba ho fanentanana amin’ny tokony hiarovana ny tontolo iainana.

Manambana ny loza

Mifantoka amin’ny famerenena amin’ny laoniny ny tany, ny fanajanonana ny fandripahana ny ala ary ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny haintany, ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity, izay marihina isaky ny 5 jona. Mitaky ny fandraisan’andrakitry ny tsiraairay izany, araka ny lohahevitra nosafidiana hoe : « Ny tany. Hoavintsika. Isika no taranaka mpanarina » (Nos terres. Notre avenir. Nous sommes la Génération Restauration). Ilaza Atoa Issa Sanogo fa ao anaty hamehana izao tontolo izao ankehitriny. Nentiny nanamafy izany ny fanomezana ohatra fa efa simba avokoa ny 40%-n’ny tany manerana izao tontolo izao. Miantraika mivantana amin’ny antsasaky ny mponina maneran-tany izany ary manambana ny antsasaky ny harinkarena faobe maneran-tany ihany koa. Nitombo ary nihanaharitra hatrany amin’ny 29% ny trangana hain-tany, nanomboka tamin’ny taona 2000. Mety hahakasika ny telo ampahefatry ny mponina maneran-tany izany haintany izany amin’ny taona 2050, raha izao no mitohy. Zava-manan’aina an’arivony karazana ihany koa no tombanana ho ringana.

Karazana hetsika azo atao

Ny fanarenana ny simba no fanalahidy, hoy ny mpandrindra maharitry ny asan'ireo sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana. Marobe ireo karazana hetsika azo atao ho amin’izany, toy ny fambolena hazo zana-tany any amin’ireo ala mihapotika. Azo atao ihany koa ny miaro sy mamerina amin’ny laoniny ny ala honko, any amorontsiraka, ary ampiroboroboina ny fanjonoana maharitra. Azo ianarana ny mampihena ny karazan-javatra mandoto fampiasa andavanandro, safidiana ireo fitaovana azo averina ampisaina, ahodina anamboarana zavatra vaovao izay azo ahodina, mba hampihenana ny fako mivarina an-dranomasina. Azo ahena ny fiasana be loatra ny tany, safidiana ny zezika voajanahary, ovaovaina ny karazam-boly. Raha miasa miaraka isika rehetra dia vitantsika ny mamerina amin’ny laoniny ny ala, ny mampikoriana indray ny loharano sy ny mampamokatra indray ireo tany efa mihangazana, hoy Atoa Issa Sanogo.

Ny 13 sy 16 jona izao moa, ho antsika eto Madagasikara, no hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana sy ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany, ka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no nosafidiana hanatontosana izany.

Lire la suite

Articles Similaires