• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtl
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Sokatra miisa 400 avy aty Madagasikara tratra tao Comores

07/06/2024 09:57 © Moov

Nahatrarana sokatra miisa 400 avy aty Madagasikara indray tao Comores omaly. Nandeha sambo ireto harena sarobidy tsy misy raha tsy eto Madagasikara ireto. Olona telo no ahiahiana ho nitondra azy ary efa eo ampelatan’ny mpitandro filaminana any Moroni Comores izy ireo amin’izao fotoana izao hatao famotorana.

Haondrana any Tanzanie

Raha ny vaovao voaray avy any amin’ny Polisy ao Comores dia eritreretina ho androana any Tanzanie ireto sokatra ireto. Teo amin’ny fahatongavany tao an-toerana ho hafindra amin’ny fitaovana hafa entina any Tanzanie araka izany no nahatrarana azy ireto. Baoritra miisa telo voafono tsara no nasian’ireto olon-dratsy ireto izany harena sarobidy izany, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Polisy any an-toerana. Marihina fa efa eo ampelatanan’ireto manam-pahefana ireto ireo olona telo ireo ary efa mitohy ny fanadihadiana. Raha ny lalàna momba ny tontolo iainana Kaomaorianina dia mety higadra 6 volana hatramin’ny 5 taona ireto olon-dratsy ireto ary mandoa lamandy hatramin’ny 1.5 tapitrisa Francs Comoriens. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa mbola any Thaïlande amin’izao fotoana izao ny ministry ny tontolo iainana miezaka mamerina ireo sokatra sy varika nisy nanondrana any tamin’ny iray volana lasa teo.

Tambazotra lehibe

Vao iray volana izay no sokatra miisa arivo mahery no tafavoaka avy eto Madagasikara. Miampy indray izany olana izany amin’ireto 400 ireto. Azo lazaina ho tambazotra lehibe mihitsy no manao izany heloka be vava izany. Tokony ho fongorina hatramin’ny farany izany. Marihina fa ny Filoham-pirenena dia efa nilaza fa handray an-tanana manokana ireny tambazotra mafia ireny ny tenany. Etsy andaniny dia tsy ho afaka amin’izany fivoahana harena tsara izany ihany koa ny ao amin’ny mpiaro ny sisin-tany sy ny fadintseranana. Hatreto dia mampametra-panontaniana ny toerana nivoahan’ireto sokatra ireto. Arahina akaiky ihany koa izany raharaha izany.

Lire la suite

Articles Similaires