• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tetikasa e-Jery : Mampiditra ireo ankizy marefo ho ao anatin’ny tontolo nomerika

06/06/2024 18:19 © Moov.Mg

Tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny ny tontolon’ny nomerika. Tsy ny olona rehetra anefa no mbola afaka miditra ao anatiny sy mikirakira ireo fitaovana mifandraika amin’izay tontolo nomerika izay, eto Madagasikara. Manana tanjona ny hampisitraka izany ho an’ny daholobe, indrindra ireo ankizy marefo, ny Maison du Numérique eny Ambatonakanga.

Nomerika ho an’ny daholobe

Ao anatin’izany ezaka fampisitrahana ny nomerika ho an’ny daholobe izany, dia natomboka omaly ny tetikasa e-JERY, iarahan’ny Maison du Numérique manatanteraka amin’ny orinasa Telma Madagascar. Ankizy mpianatry ny EPP 67 ha Atsimo miisa 25 no omena fiofanana momba ny fampiasana solosaina, eo anivon’ity trano miompana amin’ny nomerika ity. Isaky ny alarobia hariva, mandritra ity volana jona ity izy ireo, dia manana ora roa eo ho eo, hizarana amin’ny fikirakirana izany solosaina izany. Maimaim-poana ny fampianarana, iarahana miasa amin’ny fikambanana tsy miankina Baliaka Education. Ity farany no manofana ireo mpirotsaka an-tsitrapo, izay mpianatry ny ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, hanampy ireo ankizikely amin’ny fidirany ao anatin’ny tontolo nomerika. Andrana ihany moa ity natomboka omaly ity, fa hitohy ny tetikasa. Mpianatra manodidina ny 400 no kendrena hisitraka izany mandrapahatapitry ny taona 2024. Heverina ny hiitarany any amin'ireo sekoly ambaratonga fototra sy sekoly Telma rehetra manerana an’Antananarivo. Aorian’izay dia ho entina miitatra any amin’ny Faritra ihany koa ny tetikasa e-JERY, araka ny fanazavan’i Zo Ny Riantsoa Rabefitia, tomponandraikitry ny praograma fampiatiana ara-nomerika eo anivon’ny Telma.

Mitarika any amin’ny fivoarana

Tanjon’ny Telma, ao anatin’izao tetikasa izao, ny hitarika ny mpiara-belona ao anatin'ny fivoarana, indrindra ny ara-nomerika. Atomboka amin'ny ankizy izany, satria hanampy azy any aoriana any, hoy i Gaël Voca, talen’ny mahaolona eo anivon’ny orinasa Telma. Hahafahan'ireo ankizy mivelatra amin'ny lafiny rehetra kosa izao tetikasa izao, hoy Ramamonjisoa Hanitra, talen’ny EPP 67ha Atsimo. Isan’ny nisafidianana ity sekoly ambaratonga fototra ity moa ny efa fananany fitaovana ara-infôrmatika, ka efa misy ny fampianarana izany ho an’ny ankizy, 15mn isa-kerinandro. Tsy ampy anefa ny fitaovana eo am-pelatanan’ny sekoly, hoy Ramatoa tale, satria solosaina fampiasa am-birao tokana sy solosaina entin-tanana tokana no ifandimbiasan’ny mpianatra 937 isa. Araka izany, manampy betsaka ny ankizy ny fahafahana mianoka amin’ny solosaina iray isan’olona, ao amin’ny Maison du Numérique. Ho famenon’izay norantovin’izy ireo ao amin’ity tranon’ny nomerika ity ny any an-tsekoly.

Maimaim-poana ho an’ny mpianatra

Ankoatra ny tetikasa e-JERY dia hisy tetikasa hafa hiarahan’ny Telma manatanteraka amin’ny La Maison du Numérique ihany koa amin’ny volana jolay sy aogositra ho avy io, ary koa hiarahana amin’ny fikambanana tsy miankina Coder Dojo. Hiompana amin’ny fampianarana ny « coding » sy ny « programmation » indray ny fiofanana amin’io fotoana io. Etsy an-daniny, ny Maison du Numérique dia misokatra maimaim-poana isan’andro, ankoatra ny alahady, ho an’ireo mpianatra. Fanamarinana maha-mpianatra ihany no takian’ny tomponandraikitra, dia afaka mampiasa ny solosaina sy ny aterineto ao an-toerana, mandritra ny ora roa isan’andro, ny mpianatra iray.

Lire la suite

Articles Similaires