• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahatongavan’ny fotoanan’ny vehivavy : Ampiasana ho fanabeazana sy fanentanana ny kilalao

06/06/2024 17:42 © Moov.Mg

Ampahafantarina any Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, mandritra ny fankalazana ny fahafolo taonan'ny andro maneran-tany ho an'ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana, ny kilalao enti-manabe antsoina hoe : IKa’lio, izay ho fanohanana ireo ankizivavy hiatrika ny fahatongavan’ny fotoana ao anaty fahamendrehana.

Miatrika olana ny vehivavy

Nanomboka omaly 5 ka hatramin’ny rahampitso 7 jona ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fidiovana sy fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana eto Madagasikara, raha ny 28 jona no andro fankalazana izany isan-taona maneran-tany. Tombanana ho miisa 1,8 miliara maneran-tany ireo vehivavy sy ankizivavy ao anatin’ny fetran-taonan’ny olona tonga fotoana. Ny 66%-n’ny ankizivavy aty Afrika anefa no tsy ampy fahalalana momba ny liompanjava, mialohan’ny nahatongavan’ny fotoanany voalohany, ka nahatonga olana teo amin’ny fiatrehana azy izany ary mety niteraka dona ara-tsaina mihitsy. Aty Afrika ihany koa dia ankizivavy 1 amin’ny 10 no matetika manapaka isaky ny tonga fotoana. Ireo antontan’isa ireo dia ahitana taratra ny olana atrehin’ny ankizivavy sy maneran-tany, ka tsy hahafahan’izy ireo misitraka ny zony feno hanana fahasalamana sy hadio, indrindra amin’ny fotoana manokana.

Tsy mpy fitaovana sy fotodrafitrasa

Raha jerena ivelany ny zava-misy eto Madagasikara, dia mba manana fahafahana mampiasa fitaovana hiatrehana ny fahatongavan’ny fotoana ihany ny vehivavy 9 amin’ny 10 ary manana toerana ahafahany misolo salaka sy midio am-pahamendrehana ihany koa. Na izany aza, any amin’ny toerana ambanivohitra sy any amin’ireo sokajiana ho toerana marefo, dia maro no tsy manana izany fitaovana sy fotodrafitrasa fidiovana izany. Vehivavy malagasy 1 amin’ny 10 ihany koa no nilaza fa efa tsy afaka nanatanteraka asa sy hetsika ara-tsosialy, ara-panabeazana, na koa ara-toekarena, vokatry ny fahatongavan’ny fotoana. Any Atsimo Andrefana manokana, izay ankalazana ny andro maneran-tany amin’izao fotoana izao, dia tena mbola tsy ampy ny fampahafantarana momba ny liompanjava sy ny fitantanana ny fidiovana rehefa tonga fotoana ; tsy ampy ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizivavy fitaovana fidiovana, lafo ny salaka manaraka ny fenitra ilaina ho an’ny liompanjava, tsy misy toerana ahafahana manaha ny salaka avy nosasana… Fanadihadiana nataon’ny fikambanana tsy miankina Sahi, mpiara-manatanteraka tetikasa amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy (UNICEF), no nampivoitra izany.

Kilalao ho enti-manabe

Manana fitaovana karazany roa ny UNICEF ho fanabeazana sy fanentanana momba ny fitantanana ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana, ary ampahafantarina any Toliara mandritra ity fanamarihana ny andro eran-tany ity. Misy ny antsoina hoe : KDIS Game, izay sady kilalao no entina manabe ireo tanora 21 no ho mihoatra, momba ireo lohahevitra mbola fady ny miresaka azy, toy ny fahasalamana ara-pananahana, ny toe-batana sy ny fiovany, ny fifandraisana ara-pitiavana sy ara-pinamanana, na koa ny zon’olombelona sy ny miralenta. Misy ihany koa ny kilalao enti-manabe antsoina hoe : IKa’lio, izay mety ho an’ny ankizy manomboka eo amin’ny 9 taona, ho fampahafantarana ireo tokony hatao rehefa tonga fotoana. Ezahana aparitaka ho azo ampiasaina eny anivon’ny fiarahamonina izany, mba ho fiaraha-misalahy, ka hanohana ireo vehivavy sy ankizivavy miatrika ny fandehanan’ny liompanjava ny olona manodidina azy, fa tsy sanatria hanilika azy ireny.

Antso fiaraha-mientana

10 taona amin’ity taona ity no nanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana. Tanjona tamin’ny nametrahana ity andro maneran-tany ity ny hialana amin’ny fahanginana ka hampahafantarana ny rehetra ny momba ny liompanjava, ny fanentanana ny amin’ireo tokony atao mandritra ny izany fahatongavan’ny fotoana izany, indrindra eny anivon’ny sekoly. Fotoana ihany koa io hanaingana ny fandrasan’andraikitr'ireo mpanapa-kevitra mba hametraka fotodrafitrasa hahafahan’ny vehivavy miatrika am-pitoniana sy am-pahamendrehana ny fahatongavan’ny fotoana, indrindra eny anivon’ny sekoly, ho fisorohana ny fanapatapahana sy ny fialana an-daharana. Iarahana amin’ny ministeran’ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana ny hetsika tanterahina any Toliara, ho an’ny fankalazana nasiônaly, ao anatin’ny lohahevitra hoe : « Ndao hiara-hientana am-pifaliana, hanampy ny vehivavy hiatrika ny fadimbolana am-pitoniana ».

Lire la suite

Articles Similaires