• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fifa
Image
Vaovao

Mondial 2026 : Madagasikara sy Kaomoro no hifandona voalohany rahampitso any Afrika Atsimo

06/06/2024 17:15 © Moov

Mampisy fanantenana ny lalao. Raha ara-tantara dia mbola tsy nisy ny fandresena azon’i Kaomoro manoloana an’i Madagasikara aloha. Rahampitso amin'ny 07 ora hariva (Ora aty Madagasikara) no hiaonan'i Madagasikara sy ny i kaomoro. Lalao izay ho tanterahina ao amin’ny FMB stadium any Johannesburg. Io no fifaninana ahazoana ny tapalika handraisana anjara amin’ny Mondiale 2026 any Mexika, Etazonia.

I kaomoro izao no voalohany manana isa 06 ao amin’ny vondrona I, Mali no faharoa manana isa 04, fahatelo i Madagasikara manana isa 03. Ao aorian’ity fihaoanana eo amin’ny kaomoro ity, mbola hisy ny lalao hifandonana eo amin’ny Mali ny Talata 11 jona. Ao amin’ny FNB stadium hatrany no hanatontosana ny lalao.

Tsy handray anjara i Romain Metanire, I Adecalom Noah, ary i Fabien Boyer

Mpilalao Barea miisa 24 amin’ny 25 nantsoina no tonga hanatrika ny lalao any Afrika Atsimo. Mpilalao miisa 3 tamin'ireo nantsoin'i mpanazatra Romuald RAKOTONDRABE na i Coach Roro no tsy tonga nanao fampivondronana. Isan'izany i Romain Metanire, I Adecalom Noah, ary i Fabien Boyer. Raha ny fantatra, olana ara taratasy, faharatrana, ary tsy fahazoan-dalana avy amin’ny kliobany hamonjy fampivondronana no antony tsy fahafahan’izy ireo. Efa misy ankehitriny ireo mpilalao izay hasolo ny toeran'azy ireo raha ny nambaran’ny mpanazatra. Avy hatrany dia tafita any amin’ny mondiale izay voalohany ao anatin’ny vondrona. Izay laharana faharoa tsara indrindra, manao lalao sakana na ilay atao hoe « match de barrage ». Tsiahivana fa tokony notontosaina tao Mahamasina ireo lalao roa ireo, noho ny tsy fankatoavan’ny CAF ny kianja’ny BAREA no namindrana izany tany Afrika Atsimo. Tsy manana zo ho resy ao anatin’ireo lalao roa ireo ny ekipan’ny Barea raha maniry handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires