• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

KARATE- CHAMPIONNAT D’AFRIQUE ZONE EST : Vonona ireo Atleta hiatrika ny fifaninana

06/06/2024 16:54 © Moov

Manana atleta 39 i Madagasikara handray anjara ao anatin’ny lalao fiadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika aty amin’ny faritra Atsinanana ity. Handraisan’i Madagasikara anjara avokoa ireo sokajy rehetra.

Ny 14 amin’ireo manao sokajy Kata, sokajy Kumite ny ambony. Mandritra io fifaninana io misy fampiofanana omena ireo mpitarika, entraineur sy ny arbitre. 25 no voaantso hanaraka fihofanan eo amin’ireo mpitsara lalao. Misy fanadianana atao ary « diplôme international » na ny marim-pahaizana iraisam-pirenena omena ireo nahavita fiofanana rehefa afaka fanadianana. Ao aorinan’izany, misy ny fifaninana hafa miandry ny mpanao karate championnat d’Afrique izay tontosaina any Tunisie manomboka 02 hatramin’ny 08 septembre. Firenena miisa 14 no antenaina ho avy mandritra ity fifanianana ity. Djibouti, Maurice, no fantatra fa efa tonga eto an-toerana amin’izao fotoana. Fanamby napetraky ny federasiona Malagasy ny haiady Karate ny hitazomana ireo melady volamena rehetra mandritra ny fiadiana ny championnat d’Afrique zone Est ity.

Efa eto an-toerana ireo solotena avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena

Rahampitso 07 jona ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika faritra Atsinanana eo amin’ny taranja Karate. I Madagasikara no mampiantrano izany lalao izany. Tontosaina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjatena hatramin’ny faha 9 ny volana jona. Manomboka rahampitso ihany koa ny fivoriambe an’ireo handray anjara avy aty amin’ny faritra atsinanan’i Afrika. Tanterahina ao amin’ny hotel colbert Antaninarenin any fihaonana. Fantatra fa androany no tonga ireo filoha legitry ny Wall Karate fédération (WKF) sy ny filohan’ny Union des Fédérations Africaines Karate (UFAK). Efa eto an-toerana nanomboka ny talata teo ny filohan’ny komisioana teknika. Arbitre mondiale no mitsara ny lalao mandritra ny fifaninana ho any sokajy junior-cadet # senior lahy sy vavy. Mijanona ho fanararaotra ho an’i Malagasy ny fandraisana ity lalao iraisam-pirenena eo amin’ny taranja karate ity na ny Championnat d’Afrique Zone Est. Ao anatin’ity fifaninanana iray ity no ahafahana mampiakatra ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena. Toerana izay ahazoana ny ranking interanationnal handraisana anjara amin’ireo lalao iraisam-pirenena hafa.

Lire la suite

Articles Similaires