• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fivorian’ny Solombavambahoaka : Nibahana ny ady hevitra mikasika ny LFR 2024

06/06/2024 16:12 © Moov

Niverina nanomboka omaly ny fivoriana ara-potoana eny amin’ny Antenimierampirenena izay niato noho ny fisian’ny fifidianana. Natomboka tamin’ny « conférence des présidents » omaly izany ary anio no nandaniana ny fandaharam-potoana. Nisongadina tamin’izany ny mikasika ny LFR 2024. Miisa 34 ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika izany fotoana izany.

Mila fandinihana mialoha

Tapaka tamin’izany fandaharam-potoana izany fa naroso ho rapitso no hanaovan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantananambola ny tatitra mahakasika ity LFR ity raha saika natao any aoriana kely. Solombavambahoaka maro no nangataka ny handrosoana io andro hanaovana io tatira io. « Tena niadiana mafy mihitsy ny handrosoana io tatitry ny minisitra io. Izany no hatao mba hialana amin’ilay hoe rehefa ho tapahina ilay volavolan-dalana dia samy mananga-tanana avokoa fa tsy misy mahafantatra izay tena votoatiny akory », hoy ny solontenan’ireo Solombavamabahoaka. Marihina moa fa araka ny lalàna dia manana 15 andro mialohan’ny handaniana io volavolan-dalana io ireto Solombavambahoaka ireto handinihana azy. Fotoana iray tena ilaina satria miankina amin’io ny fampandehanan-draharaha. Araka izany dia rahampitso no fotoana hanaovana io tatitra io ary ny 17 jona izao kosa no fe-potoana hanatanterahana ny fandaniana azy.

Mbola misy volavolandalana miisa 7

Mbola miisa 7 ireo volavolan-dalana miandry ireto solombavambahoaka ireto mialohan’ny hifaranan’ny fe-potoam-piasany. Ankoatra io LFR io dia tafiditra ao ihany koa ny sata mifehy ny mpitsara izay tokony laniana amin’ity fotoam-piasan’ireto Solombavambahoaka ireto. Ao ihany koa ny sata mifehy ny Oniversitem-panjakana. Mbola tsy voadinika ihany koa ireo tolo-dalàna isan-karazany, toy izany ny volavolan-dalàna makasika ny hamarotana malalaka ny toaka gasy sy hamadihana ny fitrandrahana azy mba entina hamelona ny toekarana eto Madagasikara.
Marihana moa fa ho tapitra amin’ity volana ity ny fe-potoam-piasan’ireto Solombavamabhoaka ireto. Araka izany dia hifarana amin’ny 1 jolay ho avy izao ity fivoriana ara-potoana ity.

Lire la suite

Articles Similaires