• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Ady amin’ny fampiasana zaza : Mbola maro ireo adisisika tokony atao any amin’ny fitrandrahana Mica

06/06/2024 15:59 © Moov

Mananatanteraka atrikasa any Antsirabe amin’izao fotoana izao ny fikambanana Association Terre des Hommes miaraka amin’ireo minisitera maromaro. Voamarika tamin’izany fa mbola maro ireo adisisika tokony hatao. Izany dia mba hahafahana miaro ny ankizy mba tsy hiasa eny amin’ny fitrandrahana Mica na elodrano.

Mbola ambony ny tahan’ny fampiasana zaza

Raha ny antontan’isa navoakan’ny UNICEF ny taona 2022 dia mbola ambony ny tahan’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Nanamarika izany ihany koa ny avy ao amin’ireo fikambanana misehatra amin’ny fitrandrahana elodrano. « Efa maro ny ezaka hataon’ny fanjakana sy ny governemanta fa mbola maro ihany koa ireo tsy maintsy hatao. Taorian’ny covid-19 iny dia nitombo izany zaza mitrandraka elodrano izany vokatry ny fikarohana izay natao. Tsy maintsy ahena anefa ireny hahafahana miaro ireo zaza ireo », hoy ny tompon’andraikitra ny tetik’asa PACT. Izany indrindra no antom-pisian’ny atrikasa ao Antsirabe io. Marihina anefa fa iray taona sy tapany izay no nisy ny tetik’asa kanefa efa azo lazaina ho nahomby ireo hetsika izay natao. Efa maro ireo ankizy no miverina mianatra hoy ity tompon’andraikitra ity. Mifanindra-dalana amin’izany ny ezaka hataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny mponina sy ny firaisankina. Eo ihany koa ny ministeran’ny asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana ary ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany.

Ampiana manokana ireo Ray aman-dReny

Anisan’ny paikady entina hanamafisana ity ady ity ny fanampiana ny Ray aman-dReny. Matetika dia ny fahasahiranan’ioreto farany no mandrisika ny ankizy hiasa aloha loatra. Araka izany ny Association Terre des Hommes amin’ny alalan’ity tetik’asa ity dia manofana ireo Ray aman-dReny sy mampianatra azy mba hahay hitondra ny zanany. Tafiditra ao anatin’ny manome vahana ny fiasan’ny ankizy ihany koa ny tsy fahampian’ny fidiram-bola. Ho ampiana araka izany izy ireo hahita asa sy hiasa mba ho vahaolana maharitra izany. Ny mponina any amin’ny faritra Anosy no tena mpitrandraka elodrano eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires