• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Efa mandeha avokoa ireo herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao Boeny

06/06/2024 15:52 © Moov

Nilaza ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) fa miroso ny asa fampisitrahana angovo ny tontolo ambanivohitra. Efa misitraka izany amin’izao fotoana izao ny faritra Boeny. Efa miasa avokoa ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro miisa fito any an-toerana amin’izao fotoana izao.

Herinaratra avy amin’ny masoandro

Ny hafanana hatrany no mampiavaka iny faritra Boeny sy iny ilany andrefan’ny Madagasikara iny. Rariny araka izany raha herinaratra avy amin’ny masoandro avokoa no mandeha any an-toerana amin’izao. Maro ireo fomba hahazoana angovo azo havaozina fa mivaka amin’ny masoandro iny faritra iny ka izay no anton’izany. Miisa fito izany toby izany amin’ireo tontolo ambanivohitra any an-toerana. Anisan’ny nandray izany indray ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjajia, Tsaramandroso, Manerinerina ary Andranomamy. Ireo efatra ireo moa dia hanampy indray ireo efa misy sy miasa any an-toerana. Ireo ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankijabe, Andranofasika, Antanambaondranolava. Nanamarika ny avy ao amin’ny ministera fa efa miasa avokoa ireo toby ireo. « Efa manao ny fampidirana ny herinaratra any amin'ny mpanjifa ny ekipa teknika ankehitriny », araky ny tatitra avy amin'ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Vavizara Sylvie, izay nanatontosa ny fidinana ifotony amin’ireo toerana ireo nanomboka ny 5 Jona 2024.

Takela-masoandro miisa 260

Hamatsy tanàna maro ary hanampy amin’ny olan’ny tsy fisiana jiro ireto fitaovana ireto. Amin’izao dia ankoatra ireo takela-masaoandro efa nisy dia niampy miisa 180 indray izany ireo efa miasa. Miisa 80 ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjajia sy Kaominina Ambanivohitra Manerinerina. Miisa 40 ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Tsaramandroso, ary 60 kosa ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Andranomamy. Etsy andaniny ihany koa dia vatoaratra amanjatony mamokatra hatramin’ny 44KWc no mamelona ireo fitaovana ireo. Araka izany dia olona maro be no afaka hisitraka izany fitaovana izany.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) moa no nahatanteraka izany tetik’asa lehibe izany. Ny orinasa WELIGHT no miandraikitra ireto fotodrafitrasa vaovao ireto.

Lire la suite

Articles Similaires