• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fanadihadiana momba ny fananahana : Efa nitoe-jaza avokoa ny 47,4 % -n’n'ny tovovavy malagasy

06/06/2024 13:08 © Moov.Mg

Araka ny vokatry ny fanadihadiana fahatelo momba ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH3), dia tanora ny vahoaka Malagasy. Maherin’ny 50% no latsaky ny 18 taona ary manodidina ny 43% no latsaky ny 15 taona. Tsy ampy anefa ny fahafantaran'ny tanora sy ny fisitrahany ny fahasalamana ara-pananahana, araka ireo voka-pikarohana maro. Manamafy izany ity fanadihadiana nataon'ny oniversiten'i KwaZulu-Natal any Afrika Atsimo ity.

Fanabeazana amin’ny tahotra

Niara-niasa tamin'ny mpikaroka avy eto Madagasikara ny oniversiten'i KwaZulu-Natal, raha nanadihady tanora miisa 800 teto Antananarivo, Antsiranana, Toamasina ary Toliara. Lohahevitra isan-karazany no nentina nametraka fanontaniana tamin'ireo tanora ireo, toy ny fampiasana fanabeazana aizana, ny fiarovan-tena amin'ny vohoka tsy niriana sy ny fanalan-jaza. Nivoitra fa tsy ampy ny fanabeazana ara-pananahana azon'ny tanora malagasy, ka mahatonga azy ireo hanaonao foana indraindray. Eo anivon'ny fianakaviana dia mbola manjaka ny henatra sy ny fady, ka tsy mahasahy mifampiresaka mivantana momba ny fananahana amin'ny zanany ireo ray aman-dreny. Raha misy aza izany, dia mifototra amin'ny fampitahorana sy hevi-diso, toy ny hoe : « bevohoka raha vao mifampikasoka amin'ny lehilahy rehefa tonga fotoana ». Eo koa ny fandrahonana, toy ny hoe : « izahay mihitsy no hitondra anao any amin'ny polisy raha mahabevohoka zanak'olona any ». Raha ny hita anefa dia tsy mampihena ny tahan'ny vohoka tsy niriana sy ny fanalan-jaza an-tsokosoko izany. Etsy an-danny, ny fanabeazana any an-tsekoly dia mifototra amin'ny famporisihana ny mpianatra hifady ny firaisana ara-nofo ihany, fa voararan'ny naoty navoakan'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny volana desambra 2023, ny firesahana sy fanentanana momba ny fomba fanabeazana aizana.

Tsy mampiasa kapaoty

Araka ity fikarohana nataon'ny oniversiten'i KwaZulu-Natal ity, dia efa nitoe-jaza avokoa ny 47,4 % an'ny tovovavy nohadihadiana, noho ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro, amin'ny ankapobeny. Saika tsy mazoto mampiasa kapaoty ny tanora, indrindra ny lehilahy. Ny 52%-n'ny tanora efa miroso amin'ny firaisana ara-nofo no mbola tsy nampiasa kapaoty mihitsy, ho an'ireo monina an-tanàn-dehibe ary tafakatra 63% izany, ho an'ireo tanora monina any Ambanivohitra. Marisika kokoa amin'ny fampiasana kapaoty ny zazavavy, saingy milefitra rehefa tsy manaiky ny lehilahy, "mba ho porofom-pitiavana". Maro ireo mampiasa fomba tsy voaporofo akory fa ahitam-pahombiazana, mba ho fiarovan-tena amin'ny vohoka tsy niriana, toy ny fisotroana vinaingitra nolaroina siramamy, na fanafody "paracétamol" atelina amin'ny zava-pisotro misy entona… Vokatr'izany tsy fahampian'ny fahalalana momba ny fananahana izany dia ambony ny tahan'ny vohoka aloha loatra sy tsy niriana.

Taham-panalan-jaza ambony

Vokatr'izany ihany koa dia ambony ny tahan'ny fanalan-jaza eto Madagasikara, izay atao an-tsokosoko avokoa, satria voararan'ny lalàna malagasy ny endrika fanalan-jaza rehetra, na inona na inona antony. Ireo mponina an-drenivohitra no tena miroso amin'izany fanalan-jaza tsy voaaro izany. Araka ny fanadihadiana nataon'ny KwaZulu-Natal dia natsahatra avokoa ny 68% amin'ny vohoka tsy niriana, teo amin'ireo tanora nametrahan'izy ireo fanontaniana. Amin'ny ankapobeny dia noho ny fianarana no nahatonga azy ireo nandray izany fanapahan-kevitra izany : mbola te hanohy fianarana, tsy eken'ny sekoly hianatra ireo tovovavy mitondra vohoka fa "ohatra ratsy ho an'ny mpianatra namany"… Eo ihany koa ny tahotra ny ray aman-dreny sy ny tery avy amin'ny fianakaviana : mahamenatra sy manala baraka.

Fanabeazana ara-pananahana feno

Mba hisorohana ireo voka-dratsy ireo dia mitana anjara toerana lehibe ny fanomezana fanabeazana ara-pananahana feno ho an'ny tanora malagasy. Tsy manova ny toetra tia andrakandran'ny tanora ny fampitahorana ary tsy ampy anakanana ny tanora tsy hiroso amin'ny firaisana ara-nofo ny lesona ara-môraly mifototra amin'ny fifadiana izany fotsiny. Araka izany, raha tsy misy ny fandraisana andraikitr’ireo herivelona rehetra voakasika, raha tsy misy pôlitikam-panjakana mipetrapetraka tsara hahafahan’ny tanora misitraka ny zony sy ny fahasalamany ara-pananahana, dia ahiana ny mety hiparitahan’ny aretina vokatry ny firaisana ara-nofo sy ny VIH/Sida ; atahorana ny hitomboan’ny tahan’ny ankizivavy tsy ampy taona mitondra vohoka, ahiana ny hiakaran’ny tahan’ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava, ary ny hitomboan’ny isan’ireo mitondra takaitra na mamoy ny ainy noho ny fanalan-jaza tsy ao anaty rafitra medikaly. Isan’ny ahafahana miaro ny tanora amin’ireo fiantraika ratsy ireo ny fahazoan’ny tanora misitraka fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon’ny sekoly, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Coalition Génération Égalité (FGE). Angatahan’izy ireo, noho izany, ny hiverenan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny.

Lire la suite

Articles Similaires