• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Parisien
Image
Vaovao

Novak Djokovic : Niala an-daharana amin’ny Roland Garros 2024

06/06/2024 08:29 © Moov

Fanatanjahantena iraisampirenena. Naratra teo amin’ny lohalika havanana i Novak Djokovic, atleta manana ny maha azy eo amin’ny taranja Tennis.

Fivadihan-dalao eo amin’ny taranja Tennis

Nanambara ampahibemaso omaly Talata faha 04 ny volana jona ny tsy fahafahany hanohy ny fifaninana Roland Garos amin’ity taona ity intsony i Novak Djokovic. Very ny toerana maha-laharana voalohany maneran-tany ity Atleta ity araka izany.
Misolo toerana azy ao anatiny dingana manasa-dalana kosa i Jannik Sinner, teratany Italiana. Tafiakatra ho eo amin’ny laharana voalohany maneran-tany raha ny totalin’isa sy fandresana azony tao anatin’ity taom-pilalaovana 2024 ity noho izany i Jannik Sinner. Raha misy ny faharesena ho an’ity mpilalao iray ity eo amin’ny dingana manaraka, mijanona eo amin’izay toerana dimbiasany vaovao izay hatrany i Jannik Sinner. Nofy hoy ity farany ny tafiditra ho laharana voalohany eran’izao tontolo izao eo amin’izay taranja Tennis izay, fa kosa mampalahelo ihany ny fialana andaharana nataon’i Novac Djokovic. I Stefanos Tsitsipas indray no hifandona aminy ao anatin’ny lalao manasa-dalana ny Alakamisy sy Zoma izao. Coco Gauff, Iga Swiatek, Jannik Sinner ary Carlos Alcaraz no hifandona ao anatin’izay lalao manasa-dalana eo amin’ny sokajy lehilahy izay.

Fanatanjahantena sy politika

Fanohitra entina ampahafan-tarana ny firenena. Sehatra roa tsy natao hifanohitra fa hifameno ny tontolo politika sy ny fanatanjahantena. Tsy mijanona ho fanatanjahantena irery ihany mantsy ny fanantanjahantena fa misy fiantraikany eo amin’ny firenena na ny eto an-toerany na ny any ivelany izany. Misy ireo paik’ady nasionaly mikasika ny fanatanjahantena sy ny politika nasionaly mifandraiky amin’ny fanantanjahantena. Nandritra ny taona maro, nijanona ho fanohitry ny ambopom-pirenena ny fanatanjahantena. Maneran-tany ny fifaninana ara-panatanjahantena,antony ahafahana mametraka izany ho singa hampafantarana ny firenena.

Toe-tsaina ilaina ovaina eto Madagasikara kosa raha ny nambaran’ny Profesora Naivo Marius RAKOTOZAFINDRAMBE ny fomba fijery hoe « ny fandraisana anjara no zava-dehibe. Mila fanairana ireo tanora Atleta eto Madagasikara. Vaindohan-draharaha ho fampiroboroboana ny sehatra ny fanatanjahantena fametrahana fotodrafitr’asa sy ny fanomezana fampiofanana ireo mpisehatra ao anatiny ahafahana mamokatra ny famokarana ara-olom-belona na ilay atao hoe « capital humain ». Tsy afa-misaraka ny politika sy ny fanatanjahantena. Samy tompon’andraikitra ny tsirairay ary tokony handray ny anjara tandrify avy ny rehetra ny amin’ny fampivoarana ny fanantanjahantena eto Madagasikara. Sehatra roa tsy tokony hifanimba fa hifanosika ny politika sy ny fananatanjahantena. Ireto farany izay natao entina hanasoavana ny firenena. Androany faha 05 Jona nisy ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fanatanjahantena sy tontolo ara-jeopolitika tetsy amin’ny IFM Analakely. Mpikatroka eo amin’ny tontolo ara-politika roa no nifamaly hevitra tao anatin’izany teo ny lehiben’ny IRIS « Institut de relations internationales et stratégiques » Pascal Boniface, sy profesora Naivo Marius RAKOTOZAFINDRAMBE.

Lire la suite

Articles Similaires