• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Fironam-bokatra androany 6 jona (maraina)

06/06/2024 08:11 © Moov

Efa somary ambony avokoa ny tahan’ny PV voamarin’ny CENI isaky ny distrika. Vinavinaina ho azo ny vokatra-pifidianana feno amin’ny faran’ity herinandro ity. Na izany aza, maro ireo vokatra voaray androany no tsy nasiam-panovana.

Antananarivo Renivohitra – Tsy naharaisana fironam-bokatra

Raha ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra manokana, samy efa nanantona tany amin’ny CENI avokoa na ireo kandidan’ny antoko mpanohana ny fitondrana na ireo avy amin’ny antoko mpanohitra. Azo lazaina fa misy ny disadisa satria samy mifanondro amina resaka hala-bato izy ireo, ary milaza fa manana porofo avokoa. Tsy naharaisana vokatra vonjimaika intsony ny mikasika ireo boriborintany enina. Ny roa amin’izy ireo aza moa (Boriborintany voalohany sy fahatelo) dia efa andro maromaro mihitsy no tsy namoahan’ny CENI fironam-bokatra intsony.

Analamanga, Bongolava, Itasy – Ny ankamaroan’ny vokatra dia tsy novaina

Antananarivo Atsimondrano (BV 483/624 – 77,40%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina, Voahangy Raharimanarivo, nahazo 42,13%. Lahara-na faharoa kosa ny avy amin’ny IRMAR, Andriniony Ratsivahinisolo, nahazo ny salan’isa 28,29%.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,27%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Benjamina Andriamosa, avy amin’ny Firaisankina, no nahazo ny salan’isa ambony indrindra : 42,62%. Manaraka azy ny kandida roa : Rijaniaina Thierry Radafindramaro (IRMAR) 29,61% sy Hajo Andrianainarivelo (Kolekitifa) 23,44%.

Manjakandriana (BV 239/242 – 69,88%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Tery dia tery ny elanelan’isa amina kandida roa : Henri William Randriamanga (Firaisankina) 32,95% sy Fidy Bariniaina (mahaleotena) 31,73%.

Ambohidratrimo (BV 480/572 – 83,92%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Mitarika hatrany i Maminiaina Solondraibe Rabenirina, nahazo ny 31,90%-n’ny vato manankery. Natolotry ny vovonana Firaisankina moa ny tenany. Kely ny elanelan’isa manasaraka azy amin’ny laharana faharoa, Fenohery Johnny Rakotoarisoa, IRMAR, nahazo 30,29%.

Andramasina (BV 78/179 – 43,58%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Bina Andriamanjato, kandida mahaleotena, no mitarika hatreto. Nahazo 45,81%-n’ny vato manan-kery ny tenany. Misy kandida roa ao aoriany manana salan’isa mitovitovy : Ralaiary Rakotomanga (IRMAR) 26,88% sy Noelilalaina Ramalanjaona (Firaisankina) 20,88%.

Anjozorobe (BV 194/239 – 81,17%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Tsy nahitana fiovana firy ny vokatra. Mbola kely hatrany ny elanelan’isa eo amin’ny kandida roa voalohany : Edison Razafintsihoarana avy amin’ny Firaisankina (31,15%) sy Manda Herilaza Rave-lojaona avy amin’ny IRMAR (31%).

Ankazobe (BV 166/191 – 86,91%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Harijao Percy Razafimandimby no be mpifidy indrindra hatreto. Nahazo ny 52,44%-n’ny vato ma-nankery ny tenany. Manaraka azy kosa ny kandida natolotry ny IRMAR, Eddie Ramasiherison, 31,72%.

Tsiroanomandidy (BV 323/419 – 77,09%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Harson Raholijaona, kandida mahaleotena, no mitana ny laharana voalohany, amin’ny salan’isa 55,08%. Manaraka azy ny kandida avy amin’ny Firaisankina, 15,35%, Jose Solonirina Ndimbiari-soa.

Soavinandriana (BV 156/227 – 68,72%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
39,90% ny salan’isa azon’ny kandida tsy miankina, Romeo Christophe Ramanantanana. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Harizaka Razaiharimalala, nahazo ny 37,63%-n’ny vato manankery.

Arivonimamo (BV 201/393 – 51,15%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Mitarika hatrany ny kandidan’ny FIVOI, Rajerison Antoine Randriamampianina. 78,23%-n’ireo mpi-fidy no nandatsa-bato ho azy. Lavitra tokoa ny elanelana satria 13,93% monja no azon’ny kandida laharana faharoa, Andriniaina Rakotondravoavy, avy amin’ny IRMAR.

Miarinarivo (BV 187/273 – 68,50%)

34,68% no azon’i Fetra Rakotondrasoa, kandida natolotry ny IRMAR. Manaraka azy ny kandida tsy miankina Bernard Ravelonjato, 27,48%.

Ambatolampy (BV 275/278 – 98,92%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
PV miisa 3 sisa no tsy voamarina raha ho an’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra. Miady nefa ny lalao satria misy kandida roa izay mitovitovy ny isam-bato azony : Tianarivelo Razafimahefa (IR-MAR) 36,68% sy Rakotomalala Miarintsoa (Indépendant) 36,74%.

Antsirabe I (BV 122/216 – 51,85%)

Mitovy amin’ny vokatra voaray omaly 5 jona maraina.
Mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina, 47,17%, Michel Jean François. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Dsir Razafinimaro, nahazo ny salan’isa 32,06%.

Lire la suite

Articles Similaires