• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Douane
Image
Vaovao

Ivato : Malagasy ho any Sina, tratra nitondra « euro », mihoatra ny ara-dalàna

05/06/2024 19:11 © Moov.Mg

Malagasy handeha hiondrana ho any Sina no tratra niaraka tamin’ny vola vahiny mihoatra amin’ny azon’ny mpandeha entina mivoaka ny sisin-tany tsy misy fepetra manokana, araka ny lalàna manan-kery.

Tsy nahazoana alalana

Teo am-pikarakarana ny fiondranan’ny sidina ET 852 Ethiopian Airlines ho any Guangzhou Sina, androany toakandro, no nahatrarana ity mpandeha saika hanondrana vola an-tsokosoko ity, araka ny fampitam-baovaon’ny Fadintseranana Malagasy. Vola vahiny 108 200 euros no teny aminy, raha toa ka 1 000 euros kosa no vola azon’ny mpandeha entina mivoaka ny sisin-tany, raha tsy misy ny fepetra manokana, ka nahazoany alalana hitondra mihoatra izany. Raha mihoatra ny 1 000 euros ka hatramin’ny 10 000 euros kosa ny vola entina, dia tokony hitondra fanamarinana mahakasika izany ny mpandeha fiaramanidina ary tsy maintsy manao fanambarana eo amin’ny Fadintseranana, mialohan’ny fiondranana. Voararan’ny lalàna tanteraka kosa ny mitondra lelavola mihoatra ny 10 000 euros, ho an’ny olon-tsotra, fa ny orinasa tompon’antoka toy ny banky no afaka manao famindrana lelavola ambony avy eto Madagasikara mankany amin’ny firenen-kafa.

Fanondranana an-tsokosoko

Araka izany, tsy nanana fanamarinana ireo vola mihoatra nentiny, ity mpandeha ity, ka sokajiana ho fanondranana an-tsokosoko entana voarara izao tranga izao. Ny alika mpitsongo dia avy ao amin’ny « Brigade canine » ao amin’ny Fadintseranana no nahatratra ireto vola ireto. Nogejain’ny fadintseranana moa ny vola 107 200 euros, fa naverina tamin'ilay mpandeha kosa ny 1000 euros, araka ny lalàna manan-kery. Tsy mijanona eo ity raharaha ity fa mitohy ny fanadihadiana mahakasika azy.

Lire la suite

Articles Similaires