• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Tetikasa « Métamorphose » : Famoronana lamaody manaja ny tontolo iainana

05/06/2024 16:21 © Moov.Mg

Tahaka ny sehatra maro hafa dia misy akony eo amin’ny tontolo iainana ihany koa ny indostrian’ny lamaody sy ny famoronana. Ilaina, noho izany, ny fironana kokoa amin’ny famoronana maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Miompana amin’izany indrindra ny tetikasa « Métamorphose », izay natomboka tamin’ny fomba ôfisialy androany.

Mpamorona lamaody fito

Maintimolaly fito mianadahy, nandray anjara tamin’ny fandaharanasa amerikanina « International Visitor Leadership Program » (IVLP) 2020, miompana amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny lamaody, ny “Metamorphose”. Fanantenana Halisoa RAZAFINDRAZAKA (Tachou), Michael Roland RANDRIANASOLO (Vida), Jean Christiansen ANDRIANANTENAINA RANDRIANTODISOA (Gaona), Eva RAKOTOARIVONY (Eva Lambà), Sariaka Voahirana RAHAMELISON (Sariaka Rah), Malala Tojonantenaina RAKOTOZAFINDRAINIBE (Phanala) ary Niriantsoa Lucka ANDRIAMAHAVONJY (Lucka A.) ireo mpamorona lamaody IVLP fito mianadahy hisahana ny tetikasa. Tanjona ny hanaitra ny sain’ny besinimaro momba ny fiantraikan'ny indostrian'ny lamaody amin'ny tontolo iainana, ny hanohanana ny vehivavy mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody, ary ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpandraharaha maintimolalin’ny praograma vatsian’ny governemanta amerikanina vola.

Hetsika isan-karazany

Hizara ny traikefa azon’izy ireo, avy amin’ny IVLP sy amin’ny maha-matihanina azy ireo avy, ireto mpamorona eo amin’ny sehatry ny lamaody ireto, amin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany. Isan’izany ny fampirantiana, ny valan-dresaka sy atrikasa ary hetsika filatroana izay mifantoka amin’ny famoronana lamaody maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Ny 11 sy 12 jona izy ireo dia hanatanteraka valan-dresaka sy fampirantiana ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo, fotoana hampisehoan’izy ireo ny asa famoronana nataony izay manaja ny tontolo iainana, ary koa hiresahan’izy ireo momba ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny tontolo iainana. Ny 21 jona dia hisy ny hetsika filatroana, ao amin’ny Masoivoho Amerikanina eny Andranomena. Amin’ny volana aogositra kosa dia hanofana vehivavy miisa 20 ny “Metamorphose”, izay hiompana amin’ny fahaiza-mamorona lamaody maharitra sy manaja ny tontolo iainana, toy fanodinana akora efa niasa, ny fanaovana lasitra fanjairana sy peta-kofehy ary ny fandrariana rafia.

Tosika ho an’ireo mpandraharaha

Tanjon’ny Masoivoho Amerikanina, amin’ny fanohanana tetikasa toy izao, ny hampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana mavitrika eto Madagasikara. Isan’ny asa tanterahina ao anatin’izany ny fanomezana tosika ho an’ireo mpandraharaha, miaraka amin’ireo fitaovana sy torolalana ilaina amin'ny fanondranana ny vokatra “Vita Malagasy” mankany ivelany. Eo ihany koa ny fanamafisana bebe kokoa ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena eo amin'i Etazonia sy i Madagasikara. Androany no natomboka ôfisialy ity tetikasa « Métmorphose » ity, teo ambany fitarihan’ny Mpanolotsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina, Craig Ferguson.

Lire la suite

Articles Similaires