• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Hanampy ny CUA amin’ny lafiny maro ny Repoblika Tseky

05/06/2024 16:02 © Moov

Nanatanteraka fitsidihana tao amin'ny birao fiasan'ny Filohan'ny Delegasionina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Andriamatoa Richard Ramanambitana, ny Kaonsily "honoraire" an'i Repoblika Tseky, eto Madagasikara, Ramatoa Shelly Oukabay. Nisongadina tamin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-panabeazana ary ny ara-pahasalamana.

Hanampy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

Anisan’ny nisongadina lehibe indrindra tamin’ny fihaonan’ny roa tonta ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Hanampy ny kaominiana amin’ny fametrahana jiro manazava amin’ny alina araka izany ity firenena ity. « Amin’ny maha-vehivavy ny tenany dia tsapany hoy izy ny mahazo ny vehivavy mody alina miatrika ny tsy fandriam-pahalemana. Araka izany dia nisafidy izy ny hanampy antsika mba hampitombo isa ny jiro manazava ny lalana », hoy ny Filohan’ny Delegasiona manokana ao amin’ny CUA. Araka izany dia ho alefa any amin’ity firenena iray hafa ity ny lisitr’ireo faritra mena ka hahafahany mahita ny isan’ireo jiro afaka hanampiany.

Hojerena koa ny fampianarana

Mbola tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa noresahina ihany koa ny sehatry ny fampianarana sy ny fahasalamana. « Raha fanasoavana ny tanàna no hiarahana miasa dia vonona hatrany CUA », hoy hatrany ny PDS. Araka izany dia tafiditrta ao anatin’ny hanampian’izy ireo ihany koa ny fanolorana seza sy latabatra ho an’ireo Sekoly Fanabeazana Fototra miisa 92 eto Andrenivohitra. Ankoatra izay dia anisan’ny vonona hanolotra boky ho an’ireo sekoly sy trano famakiam-boky eny anivon’ny fokontany ity Kaonsily ity.

Fahasalamana sy fahadiovana

Mbola manan-danja ihany koa ny lafiny fanadiovana sy ny fahasalamana. Hitondra ny anjara birikiny amin’izany ihany koa ny firenena Tchèque amin’ny fanampiana ny CUA. Marihina fa mbola ireo ezaka mila hatao amin’ny famerenana amin’ny laoniny izany fanadiovana izany. Tsy ampy ny « opération coup de poing » ka izany indrindra no handraisana hatrany ny fanampiana avy any ivelany.

Lire la suite

Articles Similaires