• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Iray volan’ny ankizy : Ankizy 700 ao amin’ny Akamasoa nahazo kopia

05/06/2024 15:57 © Moov

Ankalazaina amin’ity volana jona ity ny iray volan’ny ankizy. Nentin’ny Ministeran’ny Fitsarana hanombohana izany fankalazana izany ny fizarana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an'ny ankizy teny amin'ny Akany Akamasoa Ambohimahitsy. Ankizy miisa 700 no nisitraka izany ao amin’io toerana fandraisana ireo olona sahirana karakarain’i Mompera Pedro io.

Zo voalohany

Anisan’ny zo fototra sy voalohany ho an’ny ankizy ny fananana kopia na ny sora-pahaterahana. « Mbola maro be ny ankizy tsy manana ny kopia amin’izao. Anisan’ny betsaka amin’izany ny eto amin’ny Akany Akamasoa. Zo fototra tokony hananan’ny ankizy anefa izany ka izay indrindra no antony nanolorana ireto jugement supplétif ireto », hoy ny Minisitry ny fitsarana, Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Niarahana niasa tamin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eo Anosy sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely ity ezaka natao ho an’ny ankizy kely ity. Izany no natao dia mba hisitrahan'ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan'ny olombelona ka ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.

Manokatra lalana ho an’ny ankizy

Mitondra fahamoran’ny fiainan’ny ankizy ny fananana ireny kopia ireny. Tokony hanana izany avokoa ny ankizy rehetra vao teraka. « Manamora ny fanaovana taratasy ny fananana ny kopia. Manokatra ny lalana rehetra ho an’ny ankizy ireny kopia ireny amin’ny fiainankoaviny », hoy hatrany ny Minisitra. Izany indrindra no tokony nanomezana azy ireo izany sora-pahaterahana izany. Tsara anefa ny manamarika fa ny ankizy rehetra mihitsy no,tokony hanana izany tsirairay. Ato anatin’ny iray volan’ny ankizy dia ny fanamarihana ny zon’ny ankizy no hatao laharam-pahamehana. Ankoatra ny fananana kopia anefa dia anisan’ny zo fototra ihany koa ny fianarana sy ny fisakafoana ary ny filalaovana. Anisan’ny mampivelatra any ankizy amin’ny tontolo misy azy avokoa izany zo tokony hositrahiny rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires