• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fambolena : Hanohana an’i Madagasikara amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo

05/06/2024 15:46 © Moov.Mg

Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny lafiny fambolena, indrindra ny famokaram-bary, no voandalana goavana entin’ny delegasiôna malagasy mody an-tanindrazana, avy amin’ny Fihaonana an-tampony Kôrea Afrika, ankoatra ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny harena an-kibon’ny tany.

Fivoriambe momba ny fambolena

Nifarana androany ity fihaonana an-tampony nifampidinihan’ny mpitondra Fanjakana Afrikanina sy ry zareo Kôreanina Tatsimo ity. Ho an’ity andro farany ity dia nisongadina ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa mikasika ny fambolena sy ny famokarana vary. Ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin, sy ny minisitra kôreanina misahana ny fambolena, ny ara-tsakafo sy ny tontolo ambanivohitra, Song Mi-ryung, no nanao sonia izany fifanaraham-piaraha-miasa izany, natrehin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nandritra ny fivoriambe niompana manokana tamin’ny fambolena, no nanatanterahana izao fifanaovan-tsonia izao. Marihina fa firenena afrikanina miisa 5 no nandray anjara tamin’ity fivoriambe ity, ankoatra an’i Madagasikkara, dia i Kaomoro, Zimbabwe, Angola, Gambie ary Malawi.

Famokarana masomboly

Isan’ny voarakitra ao anatin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ny fanohanan’i Kôrea an’i Madagasikara amin’ny fananganana “complexe rizicole”. Manomboka amin’ny famokarana, mandalo amin’ny fanodinana, hatrany amin’ny fivarotana, dia ho hita ao anatin’io "complexe rizicole" io avokoa. Tafiditra ao anatin’io fifanarahana io ihany koa, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadiadian’ny Repoblika, ny famokarana masomboly, ny fizarana ireo teknôlôjia vaovao amin’ny famokarana masomboly izay mahatanty ny fiovaovan’ny toetry ny andro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefan'ireo teknisianina. Nambaran’ny minsitry ny fambolena koreanina moa fa mitovy ny toetr’andro any Kôrea sy eto Madagasikara ary vary ihany koa no foto-tsakafon’ny Kôreanina Tatsimo. Tombony ho an’i Madaasikara kosa ny fananana velaran-tany midadasika azo ambolena, araka ny nambaran’ny filoha Andry Rajoelina. Manana tany azo volena mirefy 36 tapitrisa hektara i Madagasikara, hoy izy, saingy ny 2% amin’izany ihany no mbola miasa hatreto.

Taorian’ny fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa dia nisy ny fitsidihana ireo fampirantiana ny vokatry ny fambolena sy ny indostria ara-tsakafo any Kôrea, notanterahin’ny filoha Andry Rajoelina, teo ambany fitarihan’ny minisitra Song Mi-ryung.

Lire la suite

Articles Similaires