• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère Des Transports
Image
Vaovao

Fitaterana an-tanety : Naverina indray ny Polisin’ny Fitaterana an-dalambe

05/06/2024 15:45 © Moov

Naverina niasa indray ny Polisin’ny fitaterana an-dalambe na ny Police des transports routiers. Miisa 28 izy ireo amin’izao andiany voalohany izao, izay nanomboka nandray ny asany omaly. Ny14 avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ary ny 14 avy amin’ny Polisim-pirenena izay samy "Officier de Police Judiciare" sy "Agent de Police Judiciaire" avokoa.

Hanara-maso ireo fandikan-dalana

Araka ny maha polisin’ny fitaterana an-dalambe azy ireo dia eny amin’ny lalam-pirenena sy ireo lalana antanan-dehibe izy ireo no hiasa ary ireo lalamby. Manana andraikitra ny hanara-maso ireo fandikan-dalana rehetra amin’ireny lalana ireny izy ireo araka izany. Marihina anefa fa mbola eto Antananarivo ireto 28 ireto no hiasa amin’izao voalohany izao, saingy afaka haparitaka ivelan’ny tanàna, hoy ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Valery Ramonjavelo. Asa voalohany hiandraiketan’izy ireo ny fanabeazana ireo tompona fiara, mpamily, mpisehatra amin'ny asa fitaterana olona sy entana ary ny fampiharana ireo didy aman-dalana manan-kery. Ny tanjon’izany dia ny hampihena 50% ny lozam-pifamoivoizana hamoizana sy handratrana olona amin’ny taona 2030. Manaraka izany ny ady amin'ny kolikoly sy ny fanaraha-maso maharitra na an-tselika ny fivezivezen'ny fiara. Mifandraika amin’izany ny fanomezana sazy ireo izay mandika ny lalàna. Ohatra amin’izany ny fitondrana entana avo loatra sy ny fihodinana andalana raha ny fiara fitateram-bahoaka andrenivohitra. Farany ny famonjena ireo tra-boina aorian’ny loza.

Fiaraha-miasa maharitra

« Miara-mahafantatra isika fa efa ela no tsy nanana fiaraha-miasa akaiky amin’ny zandarimaria sy ny polisy ny ATT. Rehefa misy ny fotoana lehibe dia izay vao misy ny fiarahamientana bebe kokoa. Antony iray namerenana indray ny PRT izany mba hahafahana miaro ny malagasy rehetra », hoy hatrany ny Minisitra. Araka izany miasa amin’ny sehatra Nasionaly ny PRT ary miara-miasa akaiky amin’ny Agence des Transports Terrestres-ATT. Ho hita bebe kokoa eny amin'ny Tobim-piantsonana sy ny manodidina ny Tobim-piantsonana miankina sy tsy miankina, an-tanan-dehibe sy eny amin'ny lalam-pirenena ny PTR. Hiasa andro aman’alina ihany ko aizy ireny araka izany.
Mbola hitombo ihany koa ireo 28 ireo ary hanerana ny Nosy dia samy hahazo ny anjarany avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires