• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 27 may hatramin'ny 2 jona 2024

03/06/2024 00:03 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 27 may hatramin'ny alahady 2 jona 2024

Fifidianana # Tontosa ny latsabato manerana ny Nosy

Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fifidianana solombavambahoaka teto Madagasikara, ny alarobia 29 may lasa teo. Nisy ihany nefa ireo olana madinidinika toy ny tsy fahitana anarana tao anaty lisi-pifidianana sy ny fahitana bileta tokana efa misy rangotra. Nahitana savorovoro ihany koa teny amin'ireo biraom-pifidianana sasany teto Antananarivo sy ny manodidina. Maro ireo nanisa vato tao anatin'ny haizina, noho ny fahatapahan-jiro.
Raha ny fironam-bokatra no resahina dia ireo kandida avy amin'ny antokon'ny mpitondra (IRMAR) sy ny avy amin'ny vondron'ny mpanohitra (Firaisankina) no tena mahazo vahana. Misy kosa nefa ireo kandida tsy miankina no mamiratra, toa an'i Gascar Fenosoa, ao amin'ny boriborintany fahatelo eto Antananarivo.

Fifidianana # Nofoanana ny "isoloir"

Nahazatra ireo mpifidy teto Madagasikara hatrany no miditra anaty efitra kely mangina iray rehefa mandatsaka vato anaty valopy na mameno bileta tokana. Tamin'ity indray mitoraka ity dia nofoanana izany ka nampiditra fitaovana vaovao ny CENI. Takona kely miloko maitso no nampiasaina, izay nahafahan'ny mpifidy nandrangotra ny bileta tokana.
Raha ny taham-pahavitrihana kosa, mbola latsaka izany raha mitaha ny tamin'ny fifidianana Filohampirenena farany teo. Amin'ny fivoahan'ny vokatra ofisialy nefa vao azo fantarina ny salan'isa amin'izany.

CUA # Fiaraha-miasan'Antananarivo sy Le Caire

Tontosa teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny alakamisy 30 may ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, sy ny tanàn’i Le Caire, renivohitr’i Ejipta. Hitondra tombontsoa lehibe ho an'Antananarivo izao fifanarahana izao satria hisy ny fifampizarana traikefa eo amin'ny renivohitra roa tonta amin'ny lafiny maro. Tafiditra ao anatin'izany ny fitantanana, ny fampiroboroboana ny kolontsaina, ny siansa, ny fanatanjahan-tena, ny fiahiana ny tanora, ny fahasalamana, ny fikoloana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra.

Madagascar Airlines # Hanofa fiaramanidina

Miditra tsikelikely amin'ny vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra ny eto Madagasikara. Efa miomana ihany koa ireo toeram-pandraisam-bahiny manerana ny nosy handray ireo mpizahatany avy any ivelany. Noho izany indrindra, hanofa fiaramanidina ny kaompania Madagascar Airlines, mandritra ny volana jona sy jolay. Hitombo izany ny sidina manerana an'i Madagasikara, noho ny fanampiana fiaramanidina "Q400", misy toerana 72, izay hofaina amin'ny CemAir. Tsy azo adinoina fa anisan'ny fanamby ny famporisihina ny fizahantany anatiny. Entanina ireo Malagasy monina eto Madagasikara mba hitsidika ireo toeram-pizahantany hihazakazahan'ireo vahiny.

Mercy Ships # Manomboka ny fandidiana maimaimpoana

Efa tamin'ny volana febroary no nigadona teto Madagasikara ny sambo hôpitaly Mercy Ships. Mbola nisy nefa ny fandaminana isan-karazany sy ny fandraisana fisoratana anarana ka ny tapaky ny volana may teo vao nanomboka ny fandidiana.
Anjara kely, zazavavikely 10 volana, no nisitraka ny fandidiana voalohany. Fahombiazana ny fitsaboana satria nikatona soa aman-tsara ilay sima teo ambany orony (fente labiale bilatérale). Mitohy hatrany moa ny fandidiana ho an'ireo izay nisoratra anarana sady voasivana. Ny Mercy Ships moa no miantoka ny fivezivezena sy ny fampiantranoana ary fampisakafoanana ireo marary rehetra, na ho an'ireo avy ao Toamasina ihany na avy any amin'ny faritra hafa. Amin'ny taona 2026 vao hiala ao amin'ny Seranantsambon'i Toamasina ilay sambo Mercy Ships.

Toamasina # Milina fanodinana savony sy ranom-boankazo

Mbola nitohy tamin'ny fiandohan'iny herinandro lasa teo iny ny fitsidiham-paritra notanterahin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nandritra ny diany tany amin'ny Faritra Atsinanana iny no nanolorany ny ny milina fanamboarana savony ho an’i Toamasina I sy fanodinana voankazo ho ranom-boankazo ho an’i Toamasina II.
Hahazo tombontsoa amin’izao fametrahana Taninketsa Indostrialy any Toamasina II izao ny kaoperativa miisa 39 misehatra amin’ny fambolena voankazo izay mamokatra letisia 8.400 taonina, voasary 1.000 taonina, mananasy 3.000 taonina, akondro 13.500 taonina isan-taona.

Faritra Diana # Taom-piotazana Lavanila maitso

Ny sabotsy 25 may lasa teo no nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila maitso. Nosantarina tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimena, distrikan’ Ambanja, izany. Amin’ny vidiny 55 000Ar sy tambim-pankasitrahana BIO 16 250 Ar/kg no andraisan’ny Biolandes ny vokatry ny tantsaha.
Efa hita manomboka tonga tsikelikely ao Ambanja ireo mpividy vokatra avy any amin'ny faritra hafa amin'izao fotoana izao hanjifa, hividy ny vokatra any an-toerana amin'ny kalitao tsara izay ananany.

Varotra any ivelany # Fampahafantarana ireo mpandraharaha mpividy

Nampahafantarina ireo mpandraharaha mpividy (acheteurs) avy ao Kanada sy Afrika Atsimo ny mikasika ny fanondranana sy ny fampiasam-bola ary ny varotra eto Madagasikara. Tamin'ny talata 28 may no nampahafantarana ireo fepetra sy torolalana ary ireo atontan-taratasy rehetra ilaina mikasika ny fanondranana entana avy eto Madagasikara mankany ivelany. Nanentana indrindra koa isika Malagasy ny hanjifan’ireo mpandraharaha kanadianina ny vokatra eto Madagasikara.
Namaranana ny fihaonana ny fanazavana nentin’ny solontena avy amin’ny tetik’asa “Pôles Intégrés de Croissance” na PIC sy ny fisitrahana fanohanana avy amin’izany tetik’asa izany.

Baolina kitra # Éliminatoires Africaines Coupe du Monde de la FIFA United 2026

Ny talata 28 may no nandao an'i Madagasikara ireo mpilalao Barea avy eto an-toerana. Nihazo an'i Johannesburg izy ireo, hiatrika ny fanomanana ireo lalao roa izay miandry amin’ny Éliminatoires Africaines Coupe du Monde de la FIFA United 2026. Efa tany an-toerana kosa ireto mpilalao ireto : Tremoulet Sandro, Andriantiana Nomena, Thierno Millimono, Julien Pontgerard, Titouan Safidy, Teva Gardies. Tonga ny marain'ny zoma 31 may avy any Paris i Rayan Raveloson (kapiteny) sy i Sonny Laiton. Ny zoma lasa teo izany dia niisa 16 ireo mpilalao niatrika ny fampivondronana.
Ny sabotsy 01 jona no nahatongavan'i Thomas Fontaine sy Hakim Abdallah tany Johanesburg, raha omaly alahady 02 jona no tonga i Arnaud Randrianantenaina.

Katsaka # Tsy mitsahatra miakatra ny vidiny

Niakatra Ariary zato isan-kerinandro ny vidin’ny katsaka eto Madagasikara nanomboka tamin’ny voalohany volana mey 2024 lasa teo. Manodidina ny ️1 550 Ariary hatramin’ny 1 600 Ariary ny kilaon’ny katsaka ankehitriny raha toa ka nanodidina ny 1 250 Ariary izany telo herinandro lasa izay araka ny nambaran’ny InterProfession Aviaire de Madagascar (IPA). Maro ny mety ho voka-dratsin’io tranga io satria ho sahirana ireo misehatra amin’ny fiompiana mampiasa katsaka. Mety hiakatra ny vidin’ny akoho, hitohy ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny atody ohatra ka izany indrindra no ilàna fitadiavana vahaolana dieny izao vao manomboka izao.

Lire la suite

Articles Similaires