• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Vaovao

Lomano : Poa-droa ho an’i Tendrinavalona Idealy tany Thaïlande

31/05/2024 16:05 © Moov

Nahazo vokatra tsara indray ny malagasy tamin'ny taranja lomano. Nahazo medaly roa be izao i Tendrinavalona Idealy nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena lomano MILO/MAS Malaysia notanterahina tany Thailande ny herinandro lasa teo.

Medaly volamena sy volafotsy

Medaly roa samihafa be izao no norombahin’i Tendrinavalona Idealy nandritra io fifaninanana iraisam-pirenena io. Ny medaly volamena teo amin’ny lomano an-damosina 200m tamin’ny fe-potoana 2’26”58 ary ny medaly volafotsy teo amin’ny 100m natao an-damosina izay vitany tamin’ny fotoana 1’06”8 teo fotsiny. Zava-bita tena tsara mialohan’ny Lalao Olympika any Paris, ny 26 jolay ka hatramin’ny 11 aogositra izany ary tsy nampitsanga-menatra ny malagasy. Andiany faha-66 natao tany Malaisie ny 23 mey-26 mey lasa teo ity lalao ity. Ankoatra izany dia nametraka zava-bita vaovao ho an’i Madagasikara tamin’ny isa 31,50 teo amin’ny lomano an-damosina 50m ity tanora tompondakan’i Madagasikara ity. Vao 20 taona moa izy izao nampiaiky volana ny olona mialoha ny lalao Olympika any Paris izao.

Mpilalao sangany

Anisan’ny mpilalao sangany i Tendrinavalona Idealy na dia nivoaka tamin’ireo klioba madinika tao Vakinankaratra aza. Ny mpilalao miavaka ihany mantsy no mahazo ny « wild card » avy amin’ireny lalao iraisam-pirenena ireny. Izany indrindra no nahafahany nandray anjara tamin’ity lalao ity. Nahazo « wild card » avy amin’ireo mpikarakara izy hisolo tena ny mpilomano malagasy any amin’io fifaninanana io. Mitovy amin’ilay mpilalao malagasy ao amin’ny toeram-piomanana ao Thailande ihany koa ny tenany tamin’ity lalao ity. Samy nahazo ny « wild card » izy ireo. Marihana moa fa samy nilalao teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany farany tany Fukuoka (Tokyo) sy Doha (Qatar) izy ireo. Dia i Tendrinavalona Idealy sy , Jonathan Harivony Raharvel izany.

Lire la suite

Articles Similaires