• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Drc
Image
Vaovao

Teny malagasy : Atao laharam-pahamehana ny fampidirana ny teny malagasy ho fampiasa ao anatin’ny vondron’ny Ranomasimbe Indianina

31/05/2024 15:46 © Moov

Tonga ny volana jona, ka mankalaza indray ny iray volan’ny teny malagasy ny eto Madagasikara. Nomarihana androany 31 may tao amin’ny Ivokolo Analakely ny fanombohana izany volana izany.

Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny lahatenin-dRamatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana. Nanambara ny tenany fa ho ataony laharam-pahamehana ny fampidirana ny teny malagasy ho fampiasa ao anatin’ny vondron’ny Ranomasimbe Indianina.

Teny be mpampiasa indrindra

Anisany ary indrindra indrindra, voalohany amin’ireo teny be mpampiasa indrindra eto amin’ny vondron’ny Ranomasimbe Indianina ny teny malagasy. Nanamafy ny minisitra mpisolo toerana ny amin’ny hanaovany ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny teny malagasy. « Maro ireo firenena maro no manana olona mampiasa ny teny malagasy ao anatin’ny vondrona Ranomasimbe Indianina. Ao anatin’izany ohatra i Maurice, La Réunion sy ireo Nosy isan-karazany. Mandray mpila ravinahitra malagasy maro izy ireo ary mampiasa ny teny malagasy hifaneraserana. Anisan’ny manana fiteny mitovitovy amin’ny antsika ihany koa ry zareo Mahorais sy any Comores. Koa tsy rariny ve raha afaka ho ampiasaina amin’ny vondron’ny Ranomasimbe Indianina ny teny malagasy ? », hoy hatrany minisitra Rasata Rafaravavitafika. Hanao ezaka ihany koa ny tenany amin’ny maha sady minisitra ny raharaham-bahiny azy amin’izao fotoana izao. Araka izany manana vinavina izy ny hampiditra ity teny ity ho fampiasa ao anatin’io vondrona io. Tsara ny manamarika fa amin’ireo teny maherin’ny 2000 manerantany dia any amin’ny laharana faha-50 be mpampiasa indrindra no misy ny teny malagasy ary eo amin’ny laharana faha-13 izy eto Afrika.

Tohizana ny ezaka

« Teny malagasy mahomby, mahalaza raha », izany no lohahevitra entina hankalazana ity iray volan’ny teny malagasy 2024 ity. Tokony hahavita zavatra raka izany ny teny malagasy saingy mbola maro ihany koa ny ezaka tsy maintsy hatao hampiroboroboana azy. « Tsapa fa marisarisa ny fifehezan’ny olona maro ny fomba fanoratana teny malagasy. Tsapa ihany koa anefa fa ny maro ireo ezaka ataon’ireo izay milofo amin’ny fandalinana ny teny malagasy. Tokony tohizana hatrany izany », hoy hatrany ity Minisitra ity. Manazava ihany koa ireo mpandalina ny teny malagasy eto Madagasikara fa anisan’ny afaka hitondra fampandrosoana ny fampiasana ity teny malagasy ity amin’ny fanabeazana. Tokony ho ampiasaina amin’ny 99% ny fampianarana mihitsy io teny io, raha ny hevitr’ireo mpandalina teny malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires