• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Vaovao

Rano, fahadiovana sy fidiovana : Natomboka ny tetikasa « Rano Maharitra » sy « Dio Sera »

30/05/2024 20:25 © Moov.Mg

Tetikasa vaovao miisa roa, miompana amin’ny rano, fidiovana sy fahadiovana, izay tohanan’ny Sampandraraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID), no natomboka androany ary haharitra dimy taona.

Vola 45 tapitrisa dôlara

« Rano Maharitra » sy « Dio Sera » no anaran’ireo tetikasa roa ireo, ka vola 45 tapitrisa dôlara no entin’ny amerikanina mamatsy vola izany. Tanjon’ireo tetikasa roa ny hanova sy hanatsara ny fisitrahana rano madio sy fanadiovana maneran’i Madagasikara. Araka ny fanadihadiana dinidinika momba ny toe-piainan'ny ankohonana (MICS 2018), dia ny 43%n’ny Malagasy ihany no mahazo loharanon-drano nohatsaraina, ary ny 17%-n'ny mponina fotsiny no mampiasa fitaovana fanadiovana fototra. Olona maherin’ny 742.000 kosa no heverina fa hahazo tombontsoa amin’ny fisitrahana ezaka fanadiovana, ao anatin’ny tetikasa « Rano Maharitra », ka ny 312.000 no hahazo rano fisotro madio. Ny tetikasa « Dio Sera » kosa dia hanome tolotra fanadiovana fototra sy tsara tantana ho an’ny olona miisa 175.000.

Rano fisotro madio

Mitentina 35 tapitrisa dolara ny tohana avy amin’ny USAID, ho an’ny tetikasa « Rano Maharitra » ary faritra fito eto Madagasikara no hanatanterahana azy, dia i Vatovavy, Fitovinany, Sofia, Betsiboka, Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Singa efatra mifamatotra no hifantohan’ireo asa tanterahina ao anatin’ity tetikasa « Rano Maharitra » ity, dia ny fanatsarana ny fahaiza-manaon'ny andrim-panjakana sy ny fandrindrana isan’ambaratonga ; ny fahazoana loharanom-bola bebe kokoa hanohanana ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fahadiovana ; ny fampitomboana ny vokatra sy ny tolotra momba ny rano mba hamaliana ireo filàna ; ary ny fampiroboroboana ny fitomboan'ny fangatahana sy fampiasana ireo tolotra momba ny rano. Ireo tokantrano ambanivohitra no tena kendren’ity tetikasa ity, ka tanjona ny hanatsarana ny fidirana sy ny fampiasana ny rano fisotro madio, ny fanadiovana ary ny fahadiovana. Tanterahin'ny fivondronan’ny fikambanana maromaro, izay tarihin'ny CARE International ny tetikasa, ary ahitana ny WaterAid, iDE, ary orinasa malagasy telo : Miarakap, BushProof ary Sandandrano.

Fanadiovana ny tanàn-dehibe

Ny tetikasa « Dio Sera » kosa dia mifantoka kokoa amin’ny lafiny fanadiovana eny an-tanàn-dehibe sy ny manodidina. Mitentina 10 tapitrisa dolara ny vola entin’ny USAID manohana ity tetikasa ity, izay mahakasika tanàn-dehibe telo, dia i Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa. Singa dimy mitambatra sy mifampiankina no hifotoran’ny asa tanterahina ao anatin’ity tetikasa ity, dia ny fanaovana fandalinana ara-pikarohana hanatsarana hatrany ny paikady momba ny fanadiovana an-tanàn-dehibe ; ny famahana ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola ho an'ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fahadiovana ; ny fanamafisana ny rafi-pitantanana na eo amin'ny sehatra nasionaly na eny anivon’ny kaominina ; ny fampivoarana ny tolotra sy ny vokatra fanadiovana ilaina sy azo idirana ; ary ny fanentanana momba ny fiovan'ny fitondran-tena eo amin'ny fiarahamonina. Ny consortium tarihin'ny iDE no manatontosa ny tetikasa ary ahitana ny GRET, Practica, WaterAid, Runway ary Sango.

Lire la suite

Articles Similaires