• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsara Ho Fantatra
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Manana dimy andro ny delegen’ireo kandida sy ireo mpanara-maso hanaraka ny fanisana

30/05/2024 16:53 © Moov

Manana dimy andro be izao ireo delegen’ny Kandida isaky ny biraom-pifidianana, sy ireo mpanara-maso fifidianana hanaraka ny fanisana ny vato. Afaka manaraka ireo sampana mpanisa vato eny amin’ny distrika (SRMV) izy ireo mandritra io dimy andro io.

Fanaraha-maso lalina

Saro-pady ny fifidianana eto Madagasikara. Maro ireo fanaraha-maso tokony hatao ka manana-jo ny hanaraka hatramin’ny farany ny fanisana vato ireo delege an’ireo kandida sy ireo mpanara-maso fifidianana rehetra. Manomboka amin’ny fandraisana sy ny fikirakirana ireo « plis » izay tonga avy any amin’ny biraom-pifidianana izany ka hatramin’ny fanaterana izany tanteraka any amin’ny CENI. « Manomboka amin’ny fandraisana ny taratsy rehetra avy any amin’ny birao ny asanay. Sokafanay izany rehefa avy eo ary jerena tsirairay. Raha misy ny olana dia tsy maintsy miverina mijery ny bileta tsirairay indray izahay. Manana zo ary andraikitry ny delege an’ireo kandida mihitsy ny manaraka izany ka tsy asianay olana », hoy ny mpiandraikitra SRMV iray eto an-drenivohitra. Dimy andro no fe-potoana omena azy ireo hanatanterahany izany asa izany manerana ny distrika izay iandraiketany. Raha vita alohan’izay dia aterina avy hatrany eny anivon’ny CENI ny tatitra voamarina farany.

SRMV miisa 120

Samy manana sampana mpanisa vato iray avy isaky ny distrika. Izy ireo no mifandray mivantana amin’ny CENI foibe. Manana andraikitra lehibe izy ireo izany amin’ny fanomezana vaovao ho an’ny CENI. Hahafahan’ity farany mamoaka ireo vokatra vonjimaika. Ny sampana mpanisa vato eny amin’ny distrika (SRMV) no manangona ireo voka-pifidianana azo isaky ny birao fandatsahambato. Ataony ny fanisana ireo tahirin-kevitra nalefan’ny biraom-pifidianana tsirairay avy ary hamarininy ny fikajiana izay natao momba izany. Ireo ihany koa no mampakatra ny vokatra eny amin’ny CENI foibe. Manana 5 andro izy ireo hanaterana ny vokatra eny amin’ny CENI. Ity farany indray dia manana 10 andro hamoahana ny vokatra vonjimaika ao aorian’ny fahatongavan’ny vokatra eny Alarobia io.
Marihina moa fa efa nampiofanina mialoha ireto SRMV ireto amin’ny maha-zava-dehibe ny asany nandritra iny fifidianana iny.

Lire la suite

Articles Similaires