• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar
Image
Vaovao

Fizahantany : Raikitra indray ny International tourism fair Madagascar (ITM)

30/05/2024 16:21 © Moov

Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 18 jona ho avy izao ny « international tourism fair Madagascar ». Notanterahina androany ny fifanaovan-tsonia tamin’ireo mpiara miombon’antoka amin’ity tsenabe iray ity.

Misokatra amin’ny mpandraharaha avy any ivelany

« Raha te hanatratra ilay tanjona hoe mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2030 dia mila manova fomba fiady. Izany indrindra no hiarahana miasa amin’ny mpandraharaha vahiny mba hahafahana mnaparitaka ireo toerana azo tsidihina eto amintsika », hoy ny ministry ny fizahantany sy ny asa tanana, Joel Andriamandranto. Nandray ny mpandraharaha vaovao avy any Côte d’Ivoire ihany koa ny minisitra araka izany nandritra ity fihaonana ity. Ireo mpandraharaha ireo dia afaka hanapritaka ny toerana azo tsidihina eto amintsika ka hitondra mpizahatany avy any aminy makaty Madagasikara. Ankoatra ireo efa niarahana niasa hatramin’izay, toa an’ny Europe atsinanana sy Inde dia tsy maintsy misokatra amin’ny tsena vaovao indray amin’izao. Nanamafy ity minisitra ity fa ireo firenena ireo dia afaka hitondra mpizahatany avy any aminy handeha aty amintsikaa ary isika dia afaka hanampy azy ireo ihany koa.

Efa feno avokoa ny famandrihan-toerana

Nandritra io fotoana nifanaovana fifanarahana io dia nilaza ireo tompon’andraikitra maro avy amin’ireo « tour opérateur » sasany fa efa feno avokoa ny famandrihan-toerana. « Manomboka volana febroary no efa mamandrika toerana ireo mpizahatany ho avy rehefa « haute saison ». Efa misy tonga amin’izao fotoana izao ary efa tena azo lazaina hoe feno ny famandrihan-toerana », hoy ny tompon’andraikitra iray. Mpizahatany avy any Japon, Europe, Suisse, France, Amérique ary Espgane no tena betsaka tonga eto amintsika, raha ny antontan’isa nomen’ireto mpandraharaha malagasy ireto. Mbola azo lazaina ho vitsy anefa ireo toerana betsaka mpitsidika, anisan’izany i Morondava sy Toliara. Manaraka izany i Nosy Be sy i Sainte Marie ary Ranomafana Ifanadiana. Araka izany dia mbola mila ezaka ny fampahafantarana ireo toerana maro hafa sady tsara azo tsidihina. Misedra olana anefa ireo mpizahatany ireo amin’ny faharatsian’ny lalana ka mety hiteraka ny fihenan’izy ireo izany. Nanamafy izany ireo mpandraharaha fa mila fanamboarana haingana ireo lalana, indrindra iny lalam-pirenena fahafito iny mba hahafahana mitazoana ny isan’ireo mpizahatany ireo.

Lire la suite

Articles Similaires