• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Konahy Junior
Image
Vaovao

Championnat Mondial de Slam Poésie 2024 : I Konahy Jr no solontenan’i Madagasikara

30/05/2024 16:01 © Moov

Mamiratra hatrany ny Malagasy amin’ny tontolon’ny kolontsaina isan-karazany. Manana solontena indray isika amin’ny Tompondaka eran-tany amin'ny Slam poezia (WPSO) 2024 izay hatao any Togo. Hifaninana amin’ireo solontena avy amin’ny firenena maro be araka izany i Bastino Andrianahy na i Konahy Jr.

Laharana fahavalo eto Afrika

Manana ny maha izy azy ny mpanatalenta malagasy. Laharana fahavalo no misy ity solontenantsika ity eto Afrika. Aorian’ny Mamadou Alpha Diallo avy Guinée izy amin’izany ary eo alohan’i Tadadjio Nyamsi Blond Jeef avy ao Cameroun. Tsara toerana izy eto Afrika satria tafiditra ao anatin’ny folo voalohany. Anisan’ireo hitondra avo ny « slam » eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika ny tenany. Hiaraka amin’ireo mpilalao sivy hafa avy eto Afrika sy ireo firenena maro maneran-tany mandritra io fotoana io. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa tompondakan’i Madagasikara isam-bondrona izy ny taona 2023 izay nisolo tena ny tanàn’i Antsiranana nandritra izany.

Famahana olan’ny olona

Ny WPSO dia fikambanana manerantany mikendry ny fanaparitahana sy ny fampiroboroboana ny Slam poezia, izay mitondra fiombonana sy firaisantsaina eo amin’ny tontolo misy ny olombelona. Tanterahina amina tanàn-dehibe iray isan-taona ity lalao ity ary misy mpandray anjara maro maneran-tany. Anisan’ny manana ny lanjany amin’izany ny « slam » malagasy. Ny tanjon’ireo mpandray anjara rehetra moa dia ny hampanjaka io firaisan-tsaina io. Anisan’ny andrasana amin’izy ireo ihany koa ny hamaha ireo olana eny amin’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny asa sortany. Hetsika ara-tsosialy sy ara-kolontsaina ny Slam poezia izay toerana iray hikarohana ny tena fahalalahana maneho hevitra. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ny mpiangaly « slam » rehetra ka manana ny toerany lehibe any amin’ny firenena izay nihaviany avy. Lasa fialofana amin'ny zava-tsarotra mihatra aminy ny « slam » raha ho an’i Konahy Jr. Araka ny nolazainy hatrany dia ny vondrona misy azy « slam’suaré » no toerana iray nahafahany nivoatra sy nampirehareha azy teo amin’ny fiainany sy ny fireneny. Araka izany dia afaka hitondra ny manaintainan’ny malagasy izy mba hisian’ny fiovana amin’ny alalan’ity lalao izay handraisany anjara ity. I Togo no handray ny lalao amin’ity taona ity raha i Mexique no handray izany amin’ny taona 2025.

Lire la suite

Articles Similaires