• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Novaina ny endriky ny "isoloir"

29/05/2024 09:34 © Moov.Mg

Tsy nahitana olana manokana ny fisokafan'ny biraom-pifidianana androany maraina, raha ny tatitra avy amin'ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny fifidianana (CENI).

Androany 29 mey tokoa no anatontosan'ny olompirenena malagasy rehetra ny fifidianana Solombavambahoaka eto Madagasikara. Hatramin'ny ora nahazoana ny angom-baovao dia nizotra am-pilaminana ny fisokafan'ireo birao fandatsaham-bato manerana an'i Madagasikara, hoy ny avy eo anivon'ny CENI. Dama Arsène Andrianarisedo, filohan'ity rafitra ity rahateo, dia efa nahavita ny adidiny teny amin'ny EPP Tanjombato Antananarivo Atsimondrano, ka afaka nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana.

Isan'ny fanovana nentin'ny CENI tamin'ity fifidianana indray mitoraka ity ny fanakonana ny famenoana ny bileta tokana. Tsy "isoloir" na trano fisainana tahaka ny mahazatra no nampiasaina, fa novaina ho fitaovana manakona ny faritry ny vatana manandrify ny famenoana ny bileta tokana ihany izany, satria izay ihany no tokony ho takona, ho fiarovana ny tsiambaratelon'ny latsa-bato, hoy ny fanazavana. Natao ihany koa izany mba hanamora ny fanaraha-maso ireo izay mikasa ny hanao hosoka sy fanodinkodinana amin'ny famenoana ny bileta tokana, hoy hatrany ny avy eo anivon'ny CENI.

Raha misy moa ny fitarainana na fanamarihana, dia misokatra ho an'ny rehetra ny laharana maitson'ny CENI : 0343081001

Lire la suite

Articles Similaires