• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Bibikely « ver de farine » : Azon’ny olombelona hanina sady azo atao sakafom-biby

28/05/2024 16:41 © Moov.Mg

Tsy mahazatra ny Malagasy, amin'ny ankapobeny, ny mihinana bibikely (insecte). Misy ihany ireo mihinana valala, zana-dandy, voangory... fa tsy tafiditra ao anatin'ny sakafo mahazatra andavanandro izany, na dia betsaka aza ny voka-tsoa entiny.

Tsy mahazatra ny Malagasy

Mampiroborobo sy mamporisika ny fihinanana bibikely, Rasambo Christian Eddy, injeniera nianatra manokana momba ny fambolena sy ny fiompiana. Nanangana ny orinasa Insectes Bigfarm izy, izay mamokatra karazana bibikely toy ny « ver de farine », na « Tenebrio molitor », izay azo atao sakafom-biby no azo atao sakafon’olombelona ihany koa. Noho izany indrindra dia niitatra ny orinasa naoriny, ka nanangana ny InsectFood indray Rasambo Christian Eddy. Tanjony ny hamporisihana ny olona hihinana bibikely. Toy ny fihinanana valala, na fozaorana ihany, hoy izy, ny fihinana ny « ver de farine », fa izy tsy mahazatra fotsiny. Amin’ny maha-injeniera mpikaroka momba ny fambolena sy ny fiompiana azy no nitsirian’ny hevitra hiompana amin’ny fiompiana tsy mahazatra ny olona. Ankoatra ny « ver de farine » dia isan’ny ompian’ny orinasa natsangany ny sifotra, ny kadradraka lehibe, ary ny « Black Soldier Fly » (BSF) na « mouche soldat noire »

Fa inona tokoa moa ny « ver de farine » ?

Bibikely izy io, karazana sakivy miaina sy mivelona ao anaty lafarinina. Tany amin’ny kaontinanta Eoropeanina no niaviany ary io no ompiana eto amintsika amin’izao, araka ny fanazavan’ny injeniera. Manankarena proteina izy, satria mahatratra hatramin’ny 50% ny tahan’ny proteina hita ao anaty « ver de farine » 100g. Araka izany, tena tsara hanin’ny mpanao fanatanjahantena izy ary mety ho an’ny olona tratran’ny tsifanjariantsakafo ihany koa. Raha ho an’ny olombelona dia maro ny fomba azo ikarakarana azy. Mafilotra izy, raha endasina. Azo atao sakafon’ny biby fiompy ihany koa anefa izy, ka avadika ho « croquette » ho an’ny saka sy ny alika, na atao sakafon-trondro, na atao solon-kankana anjonoana… Ireo tsy mahazaka bibikely (allergie) no tsy tsara mihinana azy. Ireo tsy mihinan-kena kosa dia afaka misintona proteina aminy.

Fiofanana ho an’ny rehetra

Ny Malagasy no tsy mbola zatra mihinana bibikely, hoy Rasambo Christian Eddy, fa ho an’ny firenena aziatika toa an’i Sina, Japana sy Inde, dia tafiditra ao anatin’ny sakafo andavanandro ny bibikely. Araka izany, sarotsarotra ny mandresy lahatra ny Malagasy, saingy nandalo tamin’izany ihany ny fozaorana, hoy izy. Taloha, tsy nisy nihinana izany, saingy efa lasa mahazatra kosa ankehitriny. Mora manaiky mihinana azy kokoa ny olona, araka ny fiheverany, raha avadika ho lafarinina, biskoitra na « croquette » izy. Miezaka mampahafantatra sy mampiroborobo ny fihinanana bibikely, na ho an’ny olona, na ho an’ny biby, ity injeniera mpikaroka ity, na ao anaty pejy Facebook-ny, na mandritra ireny karazana hetsika ara-barotra isan-karazany ireny. Mampiofana ireo izay liana amin’ny fiompiana karazana bibikely ihany koa ny orinasa Insectes Bigfarm, ka ny alakamisy 30 mey izao izy ireo dia manolotra fampiofanana faobe momba ny fiompiana BSF sy ny fiompiana « ver de farine ». Misokatra ho an’ny rehetra, fa tsy mitaky mari-pahaizana manokana, izany fiofanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires