• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitr’asa : Mandroso ny fanamboarana ny RNS12 sy RNT24

28/05/2024 16:14 © Moov

Nanatanteraka fidinana ifotony ho fitsirihana teny amin’ny RNS12 sy RNT24 ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Mbola ao anatin’ny fe-potoana fiantohana na « période de garantie » ireo lalana ireo amin’izao fotoana izao. Isan’ny antoka mampaharitra ny fotodrafitrasan’ny lalana ny fisian’ny fe-potoana fiantohana na « période de garantie » eo amin’ny sehatry ny fanamboarana azy ireo ka mbola azo araraotina tsara ny manitsy izay asa hita fa tsy tomombana.

Tsy fahatomombanana madinidinika

Nanome toromarika ny hanarenan’ireo orinasa ny fahasimbana madinidinika sahady eny amin’ireo lalana ireo ireto tompon’andraikitra ireto. Marihina fa mandritra ity fe-potoana ity, raha misy ny fahasimbana na tsy fahatomombanan’ny asa vita dia mbola afaka manome toromarika ny orinasa ny Minisiteran’ny Asa Vaventy MTP ny amin’ny hanarenana ireo teboka mila izany. Naraha-maso akaiky avokoa ireo asa fanamboaran-dalana vita tamin’ireo lalam-pirenena ireo, izay mbola ao anatin’ny fe-potoana fiantohana tanteraka. Niarahana tamin’ny orinasa « La Précision » sy ny Bureau d’études “Asa Taratra » ity fidinana an-tsehatra ity mba hahafahan’ny rehetra mahita ny tsy fahatomombanana mety hisy. Ao anatin’izany ny fanarenana ireo fiarovana eny amin’ny sisin-dalana izay misy fahasimbana. Ao anatin’izany ihany koa ireo mety ho lava-davaka amin’ny lalana. Samy handraisana fepetra avokoa ireny rehetra ireny.

Asa maika amin’ny main-tany

Rehefa main-tany no fotoana tena mety amin’ny fanamboarana ny fotodrafitrasam-pitaterana mba tsy ho voaelingelin’ny orana. Araka izany nandritra io fidinana ifotony io dia nanara-maso akaiky ny tambazotra amin'ny RNT24 ireo ekipan’ny DRTP. Nijery ireo fahasimbana mba ahafahana manafaingana ny fanatanterahana ireo asa maika rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny maintany no nilaina izany. Etsy ankilany dia mitohy ihany koa ny fanamboarana ireo birao sy tranom-panjakana ao Mananjary, Ifanadiana, Manakara ary Vangaindrano. Samy tanterahin’ireo orinasa ireo avokoa izany asa rehetra izany. Marihina moa fa ny lalam-pirenena “RNS12” dia mampitohy an'Irondro sy Vangaindrano, ary ny “RNT24” kosa mampifandray an'Andranomborondolo sy Vohilava. Samy tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Composante d'intervention d'urgence et de Contingence" (CERC), vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ny fanamboarana ireo lalana roa ireo. Be mpampiasa izy ireo ka tsy maintsy hatao izay mahatomombana azy mba hampirindra ny fifamoivoizana sy ny fivoahan'ny entana.

Lire la suite

Articles Similaires