• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pharma Gdd
Image
Vaovao

Fahadiovana : Tsy manana fitaovana hiatrehana ny fahatongavan’ny fotoana ny 20%-n’ny ankizivavy

28/05/2024 10:22 © Moov.Mg

Toy ny isan-taona dia marihina androany 28 mey ny andro eran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fahatongavan’ny fotoana. Fotoana natokana hampahafantarana momba ny fotoanan’ny vehivavy sy ho fanentanana, mba hialana amin’ireo karazana fadifady mikasika izany, ny andro androany.

Iharan’ny herisetra

Tranga natoraly tanteraka ny fandehanan’ny ra eo amin’ny vehivavy, manomboka eo amin’ny fotoana mahamaoty azy ka mandrapitsaha-pitsaihana. Amin’izao vanim-potoanan’ny fandrosoana izao anefa, dia mbola marobe ny vehivavy sy ny ankizivavy malagasy no misedra olana isaky ny tonga fotoana. Mbola maro ihany koa ireo fadifady sy fiheveran-diso tokony hazavaina, na amin’ny vehivavy na amin’ny lehilahy, mba tsy hiteraka olana izany fahatongavan’ny liompanjava izany. Nisy fanadihadiana notanterahin’ny Fikambanana tsy miankina CARE International Madagascar niaraka tamin’ny J-PAL (Abdul Latif Jameel Poverty Action Lab), tany amoron’i Mania, izay nahafantarana fa efa niharan’ny fandrabirbiana, na eson-teny, na herisetra ara-tsaina hafa ny ¼-n’ny ankizivavy rehefa tonga fotoana. Ny 20%-n’ny ankizivavy ihany koa no tsy manana fitaovana azony ampiasaina, toy ny salaka, hiatrehana ny fahatongavan’ny liompanjava. Tsy vitan’izany fa tsy mahatsiaro tena ho voaaro ny 1/3-n’ny ankizivavy rehefa mamonjy toeram-pivoahana any an-tsekoly, izay toerana hahafahan’izy ireo misolo salaka. Vokatr’izany dia aleon’ny ankizivavy tsy mandeha mianatra rehefa tonga fotoana.

Tratran’ny fanilikilihana

Etsy an-daniny, mbola maro ny Malagasy no manao ho fady ny firesahana momba ny liompanjava, satria mihevitra izany ho loto. Araka izany, voasokajy ho « maloto » ireo vehivavy tonga fotoana, ka voailikilika. Misy fomba sasany eto Madagasikara, tsy mamela ny ankizivavy sy ny vehivavy hatory ao amin’ny trano iraisan’ny mpianakavy, rehefa tonga fotoana izy ireo, fa manoka-monina azy ireny any anaty trano kely any ivelany. Na ny renim-pianakaviana aza dia maro no tsy mbola sahy miresaka amin’ny zanany vavy momba ny liompanjava, ny fidiovana tokony atao mandritra ny vanim-potoana hahatongavan’ny fotoana, ny fiovan’ny toe-batan’ny ankizivavy… Manamafy orina ny hevi-draikitra anefa ny tsy fahalalana, ka vao mainka manome vahana ny fanilikilihana. Etsy an-daniny, vitsy ny sekoly sy ny toeram-piasana no manana fotodrafitrasa ahafahan’ny vehivavy sy ny ankizivavy midio rehefa tonga fotoana. Mbola adihevitra tokony atao, ankoatra izay, ny fanomezana fotoam-pitsaharana tsy hiasana sy tsy hianarana, ho an’ireo vehivavy mahatsiaro ho marary mafy rehefa mandeha liompanjava.

Voka-dratsy maro

Araka ireo, voka-dratsy maro no ateraky ny tsy fahalalana momba ny liompanjava sy ny tontolony. Mampisongadina ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy izany, satria lasa mametraka ny tenany ho ambony noho ny vehivavy, izay « maloto », ny lehilahy. Manome irika ho an’ny herisetra ihany koa, ka manilika ny ankizivavy sy ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Mampitombo ny fialana an-daharana an-tsekoly ny tsy fahafantarana momba ny fahatongavan’ny fotoana sy ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa fidiovana. Mety hiteraka olana eny anivon’ny orinasa ny tsy fananana rijan-teny manome fahafahana ny vehivavy hiato amin’ny asany, rehefa tojo tsy fahasalamana vokatry ny fandehanan’ny fotoana. Ny Tanjon’ny Fandrosoana Lovainjafy laharana faha-6 (ODD 6) dia manipika fa tokony hisitraka fidiovana ny vehivavy sy ny ankizivavy tsy an-kanavaka, indrindra amin’ny fotoana mamparefo azy. Eto Madagasikara anefa dia mbola marefo ihany koa ny pôlitika momba ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny ankizivavy amin’ny ankapobeny, indrindra ny fahasalamana ara-pananahana.

Lire la suite

Articles Similaires