• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Halatra anaty taxi-be : MD eny Antanimora ilay lehilahy

28/05/2024 09:13 © Midi Madagasikara

Manao harom-paosy anaty taxi-be. Izay ny fahaiza-manaon’ity olon-dratsy iray. « Nisy renim-pianakaviana niaraka tamin’ny fianakaviany nandeha taxi-be zotra 161.

Rehefa nijanona teo Ampandrana ilay zotra, nisy lehilahy niakatra ka nipetraka teo akaikiny. Rehefa nandeha ilay fiara dia nilaza ity farany fa hiala eo Ankorahotra, ilay zotra anefa tsy mandalo eny akory ary dia nidina maika teo Antsahabe ny tenany », raha araka ny fanazavan’ny polisin’Ambohijatovo. Raha ny marina dia efa azony ny finday teny amin’ilay ramatoa fa fikafika fotsiny ny hoe diso zotra. Efa lasa izy vao tonga saina ilay voaendaka finday.

Notohizany ihany ny fandehanana ilay taxi-be ary hitany tampoka teo Ambohijatovo indray ilay lehilahy, nidina taxi-be zotra hafa. Nitombina ny ahiahin-dramatoa izay niantso polisy tsimoramora. Nosamborina ilay lehilahy ary rehefa nosavaina dia hita teny aminy tokoa ilay finday. Natolotra fampanoavana ary nidoboka am-ponja eny Antanimora.

Lire la suite

Articles Similaires