• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Jeneraly Ravalomanana Richard : « Tsy tokony hisy korontana mandritra ny fifidianana solombavambahoaka »

27/05/2024 16:14 © Moov

Mitohy ny asa fanaraha-maso ny fifidianana izay hataon’ireo iraka avy amin’ny SADC eto Madagasikara. Nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard izy ireo.

Nanamafy ny tenany fa tsy misy ahiana ny mahakasika ny korontana mandritra ny fifidianana solombavambahoaka.

Milamina ny fifidianana

Na ny mialoha na ny mandritra na ny aorian’ny fifidianana dia arahin’ireto iraka avy amin’ny SADC ireto maso akaiky avokoa. Ny mahakasika ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana ary ny fampanjakana ny demokrasia no tena himasoan’ny asan’izy ireo. Nisy fanontaniana vitsivitsy napetrak’izy ireo momba ny fanomanana sy ny fizotry ny fifidianana, ny fandriam-pahalemana, ny fifandraisan’ny samy kandida, ny andraikitry ny Antenimierampirenena ary ny CENI tamin’ity filohan’ny antenimierampirenena ity. Namafisiny nandritra izany fa tsy misy ahiana ary milamina tsara ny fizotry ny fifidianana. « Samy manao izay fomba hahazoany toerana betsaka ao amin’ny antenimierampirenena na ireo mpanohitra na ireo mpomba ny fitondrana. Tsy mbola misy ny olana hatramin’izao », hoy hatrany ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Samy manaja ny lalàna avokoa ireo rehetra ireo. Efa samy mahay izany avokoa noho ity lalàna ity izay efa taloha ka tsy misy zava-baovao fa ny manaraka izany fotsiny sisa no hataon’izy ireo.

Soatoavina ara-demokratika

Nanohy ihany koa ity Jeneraly ity fa ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soatoavina ara-demôkratika ireo mpifaninana rehetra amin’izao fotoana izao. « Samy efa afaka maneho ny heviny amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra nahazoany alalana avokoa ireo mpifaninana rehetra. Ny tanjona ihany koa moa dia ny mba hampanjakana tanteraka io soatoavina io. Manao ny ezaka rehetra mba hanajana izany soatoavina ara-demokratika izany avokoa ny rehetra amin’izao », hoy hatrany tenany. Hatramin’ny filoham-pirenena dia ao anatin’izany ezaka izany ihany koa. Manao fitetezam-paritra ny tenany amin’izao fotoana izao saingy milaza ity filohan’ny Antenimierampirenena ity fa tsy misy fitokanana na fampielezan-kevitra ho an’ny kandida iray manokana ny hataony any. Ny fanaovana izany rehetra izany moa dia manohitra ny lalàna ara-demôkratika avokoa.
Ankoatra izany dia nifampidinika niaraka tamin’ireo solontenan’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny mpampaka-teny lefitra Ramatoa Rafenomanantsoa Aina sy ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa Randriamahafanjary Calvin, ny solotenan’ny vondrona SADC tamin’ity anio ity.

Lire la suite

Articles Similaires