• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faculté Psysef
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mbola maro ireo hevi-draikitra mila esorina amin’ny fahafantarana ny psikology

27/05/2024 16:00 © Moov

« Olona adala no manatona psykology », izany no hevitra mahazatra ny olona rehefa maheno hoe psykology (psychologue).

Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny andro maneran-tany ho an’ny psykolojia. Nandritra izany no nanazavan’ireo mpianatra sy ireo holafitry ny psykology ity taranja fa ny olona rehetra dia afaka manatona manam-pahaizana manokana avokoa.

Ho an’ny olona rehetra

« Tsy voatery natokana ho an’ny olona adala irery ihany ny psykology. Afaka manatona ireny avokoa ny olona rehetra. Na zaza, na ankizy, na tanora na olondehibe, na salama na marary », hoy ny solontenan’ny mpianatra psykolojia eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hafangaron’ny olona amin’ny « psychiatrie » hatrany izy ireo raha mpandray ireo olona manana olana ara-tsaina mahery vaika ireto farany. Mifanohitra amin’izany dia afaka mandray ny olona rehetra ny psikology. « Misehatra izahay rehefa amin’ny tontolo misy olona », hoy hatrany ireo mpianatra ireo. Ny tena anjara asany amin’izany dia ny mandinika ny fiainana sy ny toetran’olona iray ary manoro lalana azy raha sendra olana izy mifanaraka amin’io toetrany sy fiainany io. Hianarana anefa izany fa tsy hataotao foana mba hahafahana manampy bebekokoa ireo olona mila ilay tolotra.

Mamaha olana

Afaka manampy ny olona hioatra ny olana mianjady aminy ireto mpitsabo ara-tsaina ireto. Ao anatin’izany ny mahakasika ny fomba fiseraserana raha manana olana amin’izany ilay marary. Afaka manampy hanatombo ny faharanitan-tsaina ihany koa izy ireny raha ny fanazavan’ireo avy ao amin’ny holafitra hatrany. Anisan’ny zava-dehibe amin’izany ihany koa ny olona manana fikorontanan’ny saina, fahasarotana amin’ny fifehezana fihetsehampo, olana eo amin’ny fitondran-tena. Ireo rehetra ireo izay miteraka tsy fahafahana mihoatra ny olana ; ny fanatonana psykology dia ansian’ny afaka manampy amin’izany. Marihina fa tsy toro-hevitra fotsiny fa fandraisana antanana sy fitsaboana no hatao amin’izany rehetra izany. Mifanindra-dalana amin’izany ny fihainoana sy ny fanampiana ny rehetra amin’ireo olana amin’ny fiainana andavan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires