• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fitaterana mikorisa an-tariby : Alefa tanteraka amin’ny « groupe électrogène » ny andrana

27/05/2024 15:49 © Moov

Mitohy hatrany ny andrana ny fitaterana mikorisa an-tariby (transport par câble) tanterahin’ireo mpiasa sy mpikarakara avy eo anivon’ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH).

Nanamafy ny sekretera jeneralin’ity toerana ity fa mandeha tanteraka amin’ny alalan’ny « groupe électrogène »ity andrana ity. Natao indrindra izany fanambarana izany noho ireo hevitra maro sosona mivoitra eny anivon’ny tambazotran-tserasera eny.

Tsy misy hifandraisany amin’ny fahatapahan-jiro

Nanamafy indrindra tamin’ny mpanao gazety ny avy ao amin’ny SENVH fa tsy misy ifandraisany mihitsy ny fahatapahan’ny herinaratra amin’izao fotoana izao sy ny andrana hatao amin’ity « téléphérique » ity. Mandeha tanteraka amin’ny herinaratra avoakan’ny « groupe électrogène » izay mipetraka ao amin’ny toeram-piantsonana Anosy ity andrana ity amin’izao fotoana izao. « Tsy hoe rehefa mijanona eny ny cabine dia satria tapaka ny jiro. Indraindray hajanona eny ambony eny mihitsy izy ireny hijerevana ny pitsopitson-javatra samihafa », hoy hatrany Gérard Andriamanohisoa, sekretera jeneralin’ny SENVH. Afaka hamarinina ao amin’ny toeram-piantsonana ao Anosy izany hoy hatrany ny avy ao amin’ny SENVH.

Mbola maromaro ny dingana miandry

Tsara hoy ny avy ao amin’ny SENVH raha vita alohan’ny 20 jona ity andrana ity. Mialoha ny fetim-pirenena, dia ny 26 jona, tokony efa azo antoka fa handeha ny fitanterana.
Haharitra andro maro io andrana io satria marobe ireo zavatra ho jerena amin’izany. Voalohany amin’izany ny hafaingianam-pandeha izay tokony hahatratra hatramin’ny 22Km isan'ora raha mbola 4 metatra isan-tsegondra izany amin’izao andrana izao. Mbola handalovana ihany koa ireo andrana amin’ny fitondrana entana. Manaraka izany dia anisan’ny hojerena ihany koa ny « capteur » sy ny « tension électrique » izay zakan’ireny « câble » ireny. Averimberina matetika eny ambony eny ireo « cabine » miisa 3 ireo hahafahana mamaritra amin’ny tokony ho izy ny fahatomombanana rehetra. Handalo ny fankatoavan’ny sampan-draharaha lehibe ny fampiasana azy mialohan’ny fankatoavan’ny fanjakana. Izany dia mba hahafahana manamafy fa tsy misy hatahorana ity fitaterana vaovao ity.

Sampan-draharaha hikojakoja ny fitaovana

Efa miomana sahady amin’ny orinasa afaka hitantana ity fomba fitaterana vaovao ity ny avy ao amin’ny SENVH. Efa eo am-pamaranana ny fikarohana sy fanomanana ireo olona hikojakoja ara-teknika sy ara-barotra ity toerana ity amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Marihina fa hampiasa tanora maro ity toerana ity rehefa afaka mandeha soa aman-tsara ny fitanterana. Efa afaka miomana amin’ny fitadiavana asa amin’izany ny rehetra araka izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 27 ireo cabine tena hiasa amin’ny fotoana voalohany hampandehanana azy ireo raha 150 izany rehefa aoriana kely ao.

Lire la suite

Articles Similaires