• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vvpk
Image
Vaovao

Fiangonana katolika : Amin’ny septambra 2026 ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy andiany faharoa

27/05/2024 15:41 © Moov

Notanterahina tany Roma ny 25 sy 26 may teo ny andro maneran-tany voalohany ho an’ny ankizy. Ankizy teo ho eo amin’ny 50 000 teo no tonga nanatrika izany. Tapaka nandritra ny lamesa famaranana omaly 26 mai fa hotanterahina amin’ny volana septambra 2026 indray ny andiany faharoa.

“Sarobidy ny ankizy”

Nanome aim-baovao ho an’ny mpino katolika sy ireo mpanatrika rehetra iny roa andro nentina nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy iny. Nitondra hafatra mafonja tamin’izany ny Papa Ray Masina ny amin’ny maha-sarobidy ny ankizy. Niantso ny rehetra izy araka izany ny hanomezana sehatra ny ankizy maneran-tany. Raha ho an’ny Madagasikara manokana dia anisan’ny tompon’andraikitra amin’izany ny fiangonana isan'ambaratongany sy ireo mpanabe isan-tokony. « Andeha isika hiara-hiasa, hiara-hisalahy hanome sehatra ho an'ny ankizy manerana an'i Madagasikara, hiady mafy ho fampanjakana ny zon'izy ireo. Satria izy ireo no hanova izao tontolo izao, hitondra fiadanana ho an'izao tontolo izao »,izany no hafatra avy ao amin’ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy, nentina avy tamin’ny Hafatry ny Papa.

Avy amin’ny hafatra « podcast » ho an’ny Papa

Raha ny mahazatra dia ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ). Ity andro maneran-tany ho an’ny ankizy (JME) ity kosa dia miavaka amin’izany. Nalaina avy tamin’ny hafatra izay nalefana ankizy lahy « podcast » ho an’ny Papa ny taona 2023 izany, milaza hoe « manaova fihaonana ho an'ny ankizy maneran-tany ». Nanaiky izany avy hatrany Papa ka notanterahina tamin’ity volana mai ity ny andiany voalohany. Ireo ankizy lahy na vavy 6 hatramin’ny 12 taona manerana ny firenena maro no mpandray anjara tamin’izany. Marihina anefa fa tsy voatery ho ireo ankizy katôlika ihany no mandray anjara amin’izany fa antsoina amin’izany ihany koa ireo mpino avy amin’ny fiangonana hafa. Etsy andaniny dia tsy mitovy amin’ny fikarakarana ny JMJ izy ity satria ankizy no karakarina ary maro ireo zavatra mety hiova sy hiseho. Nentanin’ny Papa ho tonga tamin’ity fihaonambe ity ihany koa ireo Ray aman-dReny sy ireo Raibe sy Renibe an’ireo ankizy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires