• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

SEMIPI : Mankalaza ny faha-101 taonany

24/05/2024 16:28 © Moov

Asaramanitra ho an'ny Sekoly Miaramilam-pirenena ao Fianarantsoa. Mankalaza ny faha 101 taona niorenany ity sekoly ity nanomboka omaly sy androany. Ny Ministry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo lala monja delphin no sady maintimolaly ny sekoly ihany koa, no nanome voninahitra izany.

Tonga nanotrona azy tamin'izany ny lehiben'ny etamazoron'ireo tafika, ny jeneraly Deramasinjaka manantsoa Rakotoarivelo sy ny komandin'ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Andriatahina Jean Herbert Rakotomalala.

Varavarana misokatra

Hetsika varavarana misokatra ho an'ny rehetra (porte ouverte) no nanombohana ny fankalazana ity faha iraika amby zato taonan'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena (SEMIPI) tao Beravina ity. Fotoana iray nahafahan'ny rehetra nahafantatra ny zava-misy ao anatin'ity toerana ity io andro io. Anisan’ny afaka ho fantatra ao anatin’izany ny sampana rehetra misy ao amin’io toerana fanomanana tafika malagasy io. Ao ihany koa ny fomba atao raha te hiditra ao anatin’izany sehatra izany. Marihina moa fa ny ankizy manana ny mari-pahaizana BEPC no afaka misitraka ny fampianarana sy ny fanofanana ao amin’io toerana io. Ankoatra izany anefa dia nijery ireo fotodrafitr'asa maro nasiam-panavaozana sy ireo fampirantiana ireo mpitsidika. Nitohy tamin’ny fanazavana ny tantaran'ny sekoly ary fanolorana "attestations" ireo miaramila sy mpianatra izay nanao fiofanana momban'ny "secourisme" sy ny "protection civile" ny fankalazana. Mbola nitohy androany ny fankalazana hahitana ireo hetsika maro sy lanonana ara-miaramila.

Paradisa faharoa

“ Paradisa faharoa” no anarana nentina niantsona ity sekoly ity amin’ny maha sekoly fanabeazana sy fanomanana tanora ho olom-banona hanompo firenena anatin’ny safidy miaramila. Misy ny tarigetran’ny sekoly dia ny “Fahaizana# Fahendrena# Fandresena” ary efa maro ireo nobeazina sy nandrato fianarana tao. Manaboninahitra jeneraly zandary, tompon’andraikitra ambony ara-panjakana sy ara miaramila ary zandary maro eto amin’ny firenena no efa nivoaka avy tao amin’ity sekoly ity. Anisan’izany ny Jeneraly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena teo aloha. Reharehan’ireo manampahefana isan-tsokajiny, sivily, ireo mpitsara sy mpitsabo ankehitriny ary ny maro hafa izay efa niofana tao, ka mitoetra hatrany ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambom-po iraisana sy ny firahalahiana azo tsapain-tanana. Ny sekoly moa dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires