• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cd08.Jpeg
Image
Vaovao

Zo ara-pananahana : Mila ampahafantarina ny mpiasan’ny fahasalamana ny lalàna

24/05/2024 15:24 © Moov.Mg

Manana olana amin’ny fampiharana tanteraka ny lalàna 2017-043, izay mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana i Madagasikara. Firenena maro aty Afrika ihany koa no tahaka izany ary samy mbola miezaka mitady vahaolana, mba hahafahan’ny rehetra misitraka ireo tolotra ara-pahasalamana momba ny fananahana.

Tsy mifidy sarangan-taona

Mbola misy mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara, mandà tsy mampisitraka fomba fandrindram-piterahana ho an’ny sokajin’olona toy ny tanora sy zatovo tsy ampy taona. Raha ny voalaza ao amin’ny andininy faha-5 ao amin’ny lalàna laharana faha-2017-043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana anefa dia : "Tsy mifidy sarangan-taona fa mananjo hahazo : fampahalalana, fanabeazana, fampitam-baovao, fandraisana an-tanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana fiterahana avokoa ny olona tsirairay". Nanazava momba ny paikady afaka manampy amin’ny fampisitrahana fahasalamana ara-pananahana ho an’ny rehetra, ny Dr Chilanga Asmani, mpanolo-tsaina momba ny fandaharanasa sy pôlitikan’ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny biraom-paritry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) ho an’i Afrika afovoany sy andrefana. Raha fehezina ny fanazavany dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ny paikady fanentanana momba ny fanabeazana aizana ny kolontsaina sy ny soatoavin’ny firenena tsirairay.

Fanabeazana ara-pananahana feno

Mba handresena lahatra ireo mpiasan’ny fahasalamana hampihatra ny lalàna momba ny fandrindram-piterahana, dia manolotra fiofanana ho azy ireo ny UNFPA. Ankoatra ny teknika, dia tafiditra ao anatin’ny fampiofanana ihany koa ny fampahafantarana azy ireo ny lalàna velona, hoy ny Dr Chilanga Asmani. Misy taranja atao hoe : « Clarification des valeurs » ihany koa, izay miompana amin’ny fampieritreretana ireo mpiasan’ny fahalasamana momba ny soatoavina, ny fomba sy ny kolontsaina izay mety miteraka sakana eo amin’izy ireo. Isan’ireo tsy afaka misitraka ny zo hahazo fandrindram-piterahana, amin’ny ankapobeny, ny zatovo sy tanora tsy ampy taona. Maro amin’izy ireo ihany koa anefa no tsy misitraka fanabeazana ara-pananahana feno. Raha ny eto Madagasikara manokana dia voarara ny manao fanentanana momba ny fanabeazana aizana any an-tsekoly. Fomba ahafahana miala amin’izany sakana izany, hoy ny Dr Chilanga Asmani, ny fampandraisana anjara ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina, amin’izany fanabeazana izany. Ilaina ihany koa ny mamantatra ny fomba fihevitr’izy ireo sy ny fomba fandraisany izany fanabeazana ara-pananahana izany, ahafahana mampahalala sy manentana azy ireo.

Mifanaraka amin’ny kolontsaina

Nanamafy moa ity mpanolo-tsaina momba ny fandaharanasa sy pôlitikan’ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny biraom-paritry ny UNFPA ity, fa na eo aza ny fandaharam-panabeazana ara-pananahana iraisana maneran-tany, dia tokony ampifanarahana foana amin’ny hodidina ara-tsôsialy sy ara-kolotsain’ny firenena tsirairay izany, mba tena hiampita, ho voaray sy ho eken’ny rehetra. Nandritra ny tafa nampitain-davitra, niarahan’ny biraom-paritry ny UNFPA tamin’ireo mpanao gazety mivondrona ao amin’ny tambajotran’ireo haino aman-jery aty Afrika miompana amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (REMAPSEN), no namelabelaran’ny Dr Chilanga Asmani ireo paikady ireo. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra, tsy misy avakavaka, misitraka ny zony ara-pahasalamana eo amin’ny lafiny ara-pananahana.

Lire la suite

Articles Similaires