• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro : Hiroso tsikelikely amin’ny fitaterana lovainjafy i Madagasikara

22/05/2024 15:30 © Moov.Mg

Hiroso tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaterana lovainjafy (transport durable) i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-pitaterana madio kokoa sy maitso kokoa. Nisy atrikasa notanterahina androany teny Ambodivona, niompana indrindra tamin’izany.

Fitaterana maitso

Nanolotra voola tsy haverina (subvention) ho an’i Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena momba ny Tontolo iainana (FEM) ho fanatanterahana ity tetikasa « Fanohanana ny fidiran’i Madagasikara tsikelikely amin’ny fitaterana lovainjafy » ity. Ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE) kosa no mpiara-miombon’antoka ara-tekinika amin’ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’ny fanalefahana ny fiovan’ny toetr’andro ity tetikasa ity, ary natao ihany koa ho fanantanterahana ny anjara andraikitr’i Madagasikara amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fifanarahan’i Parisy momba ny toetr’andro. Isan’ny mitarika ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny taha 24% eto amin’ny firenena ny entona mangeja hafanana, indrindra ny entona avy amin’ny fitaterana an-tanàn-dehibe, hoy ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Rasamoelina Moïse. Araka izany, mila mivoy fitaterana madio kokoa sy maitso kokoa ary manaja ny tontolo iainana isika. Mifandray amin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena rahateo izany, dia ny fitaterana an-tariby sy ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe.

Hapetraka ny fototra

Rehefa miresaka fitaterana madio, dia midika ho fialana amin’ny solika. Tsy ho fiarovana ny tontolo iainana fotsiny, fa ho tombony ara-toekarena ihany koa, satria tsy hanafatra solika intsony, noho ireo fitaovam-pitaterana lovainjafy mandeha amin’ny herinaratra, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana. Handeha miandalana sy tsikelikely anefa izany, ka ny fototra aloha no hapetraka, hoy ny fanazavany. Voalohany amin’izany ny fandrafetana ireo rafitra sy lalàna ary fepetra maro samihafa ilaina amin’ny fanantaterahana io fiovana goavana momba ny fitaterana io. Hirosoana ihany koa ny fanentanana ny olona rehetra sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao, amin’ny alalan’ny fanehoana ireo karazana fiara mandeha amin’ny herinaratra. Anisan’ny asa hotanterahina, ankoatra izay, ny fitrandrahana ireo maodely ara-barotra hanamorana ny fidiran’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiasana sy fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fitaterana mandeha amin’ny herinaratra eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fijerena ireo rafitra ara-bola izay hahafahana manitatra ny tetikasa manerana ny Nosy.

Asa marolafy

Haharitra 4 taona ity tetikasa ity, ka amin’izao fiandohany izao dia nosafidiana hatao ho tanàn-dehibe filamatra Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Toamasina I, noho izy ireo be mponina sy be fitaovam-pitaterana mifototra amin’ny solika ihany koa. Ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovainjafy no mitarika ny tetikasa, fa maro ireo Ministera hafa voakasik’io tetikasa io akaiky, toy ny Ministeran’ ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo, ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, sns… Marolafy ny asa, ka ankoatra ny PNUE dia mandray anjara ao anatin’ny tetikasa ihany koa ireo rantsa-mangaika sasantsasany ao anatin’ny Firenena Mikambana.

Lire la suite

Articles Similaires