• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France Bleu
Image
Vaovao

Toetr’andro : Hisy fidinana misongadina ny maripana ao anatin’ny telo andro

21/05/2024 22:08 © Moov

Amin’ny vanimpotoana amin’ny antsasaky ny volana may toy izao no midina ny maripana eto Madagasikara, indrindra eto afovoantany. Nanambara araka izany ny avy ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’andro fa hidina ambany dia ambany mihoatra ny mahazatra teo alohaloha kely teo ny mari-pana ao anatin’ny telo andro manaraka.

Aty ririnina

Tonga tanteraka amin’ny fotoan’ny aty ririnina ny eto Madagasikara na dia mbola ahitana hafanana kely ihany aza indraindray. Hanomboka hidina amin’izay araka izany ny maripana, indrindra eto afovoantany. Mety ho tafidina hatramin’ny 11°C izany mari-pana izany izay hita any Vakinankaratra sy Amoron’i Mania. Rehefa alina sy ny maraina no tena hiantraika tanteraka amin'ny vatana izany hatsiaka izany. Etsy andaniny dia ahitana fidinana ihany koa ny mari-pana any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy raha ny hafanana hatrany no mampiavaka ireny toerana ireny. Hanamarika izany ny ao amin’ny faritra atsinanana afovoany izay hahatratra hatramin’ny 20°C.

Andro ratsy sy rivo-doza

Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy foana akory ny mety hisian’ny fiforonana rivodoza sy andro ratsy any amin’iny tapany avaratra iny. Araka izany dia hiteraka fikorontanana amin’ny toetr’andro an-tanety izany. Na dia tafiditra anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina aza dia hisy orana andrasana ho an’ny faritra atsinanana izay manamorona ny ranomasina ary hisy erikerika ihany koa ny aty afovoan-tany. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Atsinanana, Atsimo Atsinanana ary ihany koa i Alaotra Mangoro. Misy fikorontanana ny volon’andro vokatr’izany ka mila hiomanana satria miankina amin’ny fikorontanana amin’ny alon-drano andranomasina ny fiovan’izy io.

Hafanana

Mifanindra-dalana amin’izay fikorontanana eny andranomasina izay dia hikorontana ihany koa ny maripana. Hiverina hafana indray izany ny faran’ny herinandro izao raha mangatsiaka kokoa izy amin’izao fiandohany izao. Manomboka ny alakamisy izao dia efa ahitana izany masoandro miverina mibaliaka izany indray ary amin’ny faran’ny herinandro dia hafana tanteraka. Efa mila hiomanana avokoa anefa izany rehetra izany satria nanamafy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa ny alina no tena hamirifiry ka mila mizatra miara-miaina amin’izay.

Lire la suite

Articles Similaires