Befandriana Avaratra : Lehilahy 2 matin'ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy miisa roa, voalaza fa namono olona tao Ankobakobaka, no niharan'ny fitsaram-bahoaka ka maty voatetitetika.
Nisy raim-pianakaviana voatafika sady nisy namono rehefa iny niandry vokatra teny an-tsaha iny. Teo imason'ny vady aman-janany no niharan'ny habibiaba ilay lehilahy. Tsy vitan'izany fa mbola nentin'ireo olon-dratsy ny omby amam-polony sy ny vola. Tao amin'ny fokontany Ankobakobaka kaominina Morafeno no nitrangan'izany.
Tsy nijanona tamin'izao ireo fokonolona, noho ny alahelo sy ny hatezerana. Rehefa vita àry ny fandevenana ilay raim-pianakaviana, niroso tamin'ny fikarohana ireo nahavanon-doza izy ireo. Fantatra ihany koa nefa fa efa voasambotry mpitandro filaminana ny sasany tamin'ireo olon-dratsy. Androany zoma 5 aprily‚ tonga tao an-tampon-tananan'i Befandriana Avaratra ny fianakaviana nitady ireo olona ireo. Nisy ny tifi-danitra‚ nirefotra ny basy nataon’ny mpitandro filaminana fa tsy nampihemotra ny fokonolona izany. Azon'izy ireo hany ka azon’izy ireo ny roalahy voalaza fa nahavanon-doza ka notetitetehan’izy ireo ary noesoriny ny lamba notafiany mba hiboridana.
Mbola mafana ny toe-draharaha satria mbola ifampitadiavan'ny fokonolona hatrany ireo naman'ireo namono ilay raim-pianakaviana.