• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Mpandray anjara 15.000 isa no miatrika ny COP16 any Kôlômbia

22/10/2024 15:15 © Moov.Mg

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 21 ôktôbra, any Cali Kôlômbia, ny fivoriana an-tampony faha-16-n’ny Firenena Mikambana ho an’ny karazanjavamananaina (COP16). Hanamarika ity andiany ity ny fanetsehana ireo mpitondra manerana izao tontolo izao, ny amin’ny hamehana momba ny fiarovana ny karazanjavamananaina.

Mpandray anjara 15.000 isa

Iray amin’ireo hetsika lehibe indrindra eran-tany momba ny fiarovana ny karazanjavamananaina ny COP. Mpandray anjara manodidina ny 15.000 isa avy amin’ny firenena 190 isa maneran-tany no miatrika izany any an-toerana, ahitana filoham-panjakana miisa 12, minisitra 103 ary mpanao gazety an’arivony. Manana solontena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tanjon’ny COP16 ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa iraisampirenena, ny hahitana fifanarahana momba ny fampiasam-bola, hahafahana miaro ny natiora, sy ny fanamafisana ny pôlitika momba ny tontolo iainana maneran-tany, ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona 23-n’ny Rafitra maneran-tany Kunming Montreal 2030, sy ny tanjona lehibe ho an’ny taona 2050.

Araka izany, hodinihina mandritra ny 10 andro hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, ny fomba hamerenana amin’ny laoniny ny tany sy ny ranomasina, izay mihasimba hatrany, ao anatin’ny fiarovana ny planeta sy ao anaty fanajana tanteraka ny zon’ireo mponina tompon-tany sy ny vondron’olona ifotony. Tanjona lehibe indrindra amin’izany ny hanatanterahana ny tanjona faha-3 ao amin’ny fifanarahan’i Kunming-Montréal antsoina hoe : 30 amin’ny 30 (30/30), izay milaza ny amin’ny tokony hiarovana ny 30%, fara-fahakeliny, amin’ny amin’ny faritra an-tanety, an-drano sy an-dranomasina maneran-tany, hatramin’ny taona 2030.

Fanetsehana loharanom-bola

Nandray anjara fitenenana, nampitain-davitra, ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, António Guterres, nandritra ny lanonam-panokafana ity fihaonana an-tampony ho an’ny karazanjavamananaina ity. Nandritra izany no namporisihany ireo firenena rehetra maneran-tany mba « hamitram-pihavanana amin’ny natiora » ary hanamafy ireo drafitra ahafahana mampitsahatra ny fahapotehan’ny toeram-ponenan’ireo zavamananaina, miaro ireo karazanjavamananaina ahiana ho lany tamingana ary hitandro ny rohivoahary sarobidy. « Raha tiantsika hiaina ny olombelona, dia mila mivelatra ny zava-boahary », hoy i António Guterres. Noho izany, rehefa mifarana ny COP16, dia tokony hisy fampiasam-bola goavana ho tapaka, mandritra ireo atrikasa hotanterahina, tokony hisy tahirim-bola hiforona, tokony hisy fanetsehana ireo loharanom-bola miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, mba hahafahana tena manatratra ireo tanjona fiarovana ny tontolo iainana izay kendrena ireo, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.

Amin’ny 1 novambra izao moa no hifana ity fihaonana an-tampony momba ny karazanjavamananaina tanterahina any Cali Kôlômbia ity.

Lire la suite

Articles Similaires