• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Tetikasa « Lova » : Mpianatra 65.000 isa any amin'ny sekoly ambaratonga fototra no hotohanan’ny USAID

23/01/2024 16:04 © Moov.Mg

Hiverina hanatanteraka tetikasam-panabeazana eto amintsika indray ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Marihina rahampitso 24 janoary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana, ka ny fanambarana ny fisian’ny tetikasa vaovao, antsoina hoe : “Lova”, no entin’ny USAID manamarika izany.

Hampandroso ny fandaharam-pianarana

Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, dia tsy mahavita mamaky andinin-teny tsotra ny 96%-n’ny mpianatra Malagasy 6 ka hatramin’ny 10 taona, na efa namarana fianarana ambaratonga fototra aza. Etsy an-daniny, latsaky ny 4%-n’ny mpampianatra ambaratonga fototra no manana ny fahalalana fototra momba ny fampianarana ankizy sy momba ny taranja ampianariny, no sady tsy misitraka fanohanana avy amin'ny Fanjakana. Mitombo ny vesatr’ireo olana ireo, vokatry ny fahantrana, ny fiovaovan'ny toetrandro ary ny tsifanjariantsakafo. Napetraka ary ny tetikasa Lova, izay natao mifanaraka amin'ny paikady nasionaly momba ny fanabeazana ary hiorina amin'ny fandaharanasan’ny USAID teo aloha, mahakasika ny fampandrosoana ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Hampisitraka fanofanana ny mpampianatra sy hanome fitaovam-pianarana ary kilasy fanarenana mifantoka amin'ny famakiana teny sy kajy fototra ity tetikasa ity, ary hifototra amin'ny fomba fampianarana izay efa voaporofo sy voamarina ny fahombiazany.

Hampivoatra ny mpianatra sy ny mpampianatra

Haharitra dimy taona ny tetikasa Lova ary 10 tapitrisa dolara ny teti-bola hatonton’ny USAID ho amin’izany. Hiara-hiasa amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ity Sampandraharaha Amerikanina ity, araka izany, mba hanatsarana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, manisa ary mitondra tena eo anivon’ny fiarahamonina, ho an'ny mpianatra miisa 65.000 any amin'ny sekoly ambaratonga fototra miisa 500. Tanjona ihany koa ny hampivoarana mpampianatra miisa 1.500, ho matihanina, ary ny hanatsarana ny vokatry ny fianarana any amin'ny Faritra Atsimo sy Atsimo atsinanana. "Ambany dia ambany ny taham-pahaizan’ny ankizy Malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra", hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell. "Manantena izahay fa ity tetikasa ity dia ho dingana voalohany hanatsarana ny fanabeazana ho an'ny mpianatra an-tapitrisany manerana ny firenena."

Mifameno amin’ny tetikasa hafa

Ny FHI 360 sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no hanantanteraka ny tetikasa Lova, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy, izay isan'ny ambany indrindra eto amin'ny firenena ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra misitraka fanabeazana ara-kalitao sy manara-penitra. Ireo faritra ireo ihany koa no manana vondrom-piarahamonina anisan'ny marefo indrindra, amin'ny loza mifandraika amin'ny fiovaovan’ny toetrandro. Manamora ny fanatanterahana ny tetikasa rahateo ny fisian’ireo fandaharanasa hafa eny an-toerana, izay efa vatsian'i Etazonia vola. Araka izany, 15 taona taorian’ny nampiatony ireo fandaharanasa izay notohanany, noho ny krizy politika nitranga tamin’ny taona 2009, dia miverina manohana ny tontolon’ny fanabeazana malagasy indray ny USAID, entanin’ilay oha-pitenenana hoe: “Ny fianarana no lova tsara indrindra".

Lire la suite

Articles Similaires