• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fanafihana tany Andranomiely Sud : Ahiana ho valifaty, olona 9 no voarohirohy

23/01/2024 15:07 © Moov.Mg

Miakatra fampanoavana androany, ireo olona voarohirohy tamin’ilay raharaha famonoana ny Ben’ny tanàn’Andranomiely Sud, any amin’ny Distrikan’Ankazobe, tamin’ny 7 janoary lasa teo. Araka ny nambaran’ny Zandarimariam-pirenena dia tombanana ho valifaty no ao ambadik’ity raharaha ity.

Nanjakan’ny dahalo ny tanàna

Olona miisa 9 hatreto no voarohirohy amin’ity raharaha famonoana Ben’ny tanàna ity, ka hatolotra ny fitsarana. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia dahalo miisa 40 lahy no nanafika ny tananan'Andranomiely Sud, Kaominina Ambanivohitr’Andranomiely, Distrikan’Ankazobe. Nirongo basy « Kalachnikov », « MAS 36 », « pistolet », basim-borona, famaky sy antsibe izy ireo tamin’izany, araka ny tatitry ny zandary. Nohodidinin’izy ireo ny tanàna. Nametraka paik’ady manokana moa ny zandary ho fampandrian-tany any an-toerana, ka nizarazara natory tany amin’ny tranon’olona tsara sitrapo. Notampenan’ireo dahalo ihany koa ireo trano nisy zandary ireo, hatramin’ny biraon’ny zandary tao an-toerana. Taorian’izay no nanafika tao an-tranon’ny Ben’ny Tanàna izy ireo, namono nahafaty azy ary naka an-keriny ny vadiny. Nandritra izany ihany koa dia trano telo hafa no saika hotafihan’ireto dahalo ireto, saingy namaly ny mpitandro ny filaminana, ka dahalo iray no naratra, iray hafa maty. Nanararaotra nitsoaka, tao anatin’izany sakoroka izany, ny vadin’ilay Ben’ny tanàna ka avotra soa aman-tsara.

Karohina ny atidoha nikotrika

Taorian’izay dia nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro ny filaminana ary nisokatra ny fanadihadiana. Fantatra tamin’ny alalan’ny finday nampiasain’ilay dahalo voatifitra, fa i Lemizana, izay naman’i Iarisy, dahalo efa lavo tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, no atidoha nikotrika ity fanafihana ity. Mbola karohina moa ity olon-dratsy ity amin’izao fotoana izao. Ahiana ho misy ambadika valifaty ihany koa, satria, araka ny fantatra, nisy lehiben’ny Fokontany 2 nampanantsoin’ity ben’ny tanàna ity, talohan’ny nahafatesany, noho izy ireo naka vola tamin’olona ahiana ho olon-dratsy. Vehivavy roa ihany koa no voasambotra, izay fantatra tamin'ny alalan'ny findain'ilay dahalo maty voatifitra. Misy miaramila 5 kosa, ahiana ho miray tendro amin’ireo olon-dratsy. Hatreto izany dia olona 9 no voarohirohy sy voasambotra momba ity raharaha tany Andranomiely Sud ity.

Lire la suite

Articles Similaires