• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Tontolon’ny asa : Mety hisy olana arak’asa vaovao hiforona, noho ny firoborobon’ny teknôlôjia

23/01/2024 10:10 © Moov.Mg

Mivoatra manaraka ny toetr’andro ny tontolon’ny asa manerana izao tontolo izao sy eto Madagasikara. Mila maharaka ny zava-misy, araka izany, ireo Mpitsara misahana ny ady arak’asa sy mpanara-maso ny asa. Nisy tamin’izy ireo no nisitraka fiofanana avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), ho fanamafisana ny traikefany.

Nampitombo traikefa

Tamin’ny volana novambra lasa teo ireo Mpitsara sy mpanara-maso momba ny asa ireto no nanaraka fiofanana mahakasika ny fivoaran’ny tontolon’ny asa, tany amin’ny ivon-toeram-panofanana iraisam-pirenena, an’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa, tany Turin Italia, ary tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanaovan’izy ireo ny tatitra mahakasika izany. Mpitsara 4 avy amin’ny fitsarana misahana ny ady arak’asa sy mpanara-maso ny asa miisa telo no niatrika izany fiofanana izany. Isan’ny nandray anjara tamin’izany Raharinarivonirina Nina, Filohan’ny fitsarana misahana ny ady arak’asa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Marobe, araka ny nambarany, ireo zava-baovao fantatra nandritra ny fiofanana ary nampitombo ny traikefa ihany koa ny fifanakalozana teo amin’ireo firenena samy hafa.

Fitovian’ny lahy sy ny vavy

Ohatra iray nomen-dRaharinarivonirina Nina, Mpitsara, ny momba ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy. Eto amintsika eto Madagasikara, hoy izy, dia mbola mitoetra ny fiheverana fa misy asa natao ho an’ny lehilahy ary misy ny natao ho an’ny vehivavy, saingy efa tsy misy intsony izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tahaka izany koa ny tsy mbola fanomezana lanja ny asa ataon’ny vehivavy ao an-tokantrano eto amintsika, toy ny mikarakara tokantrano, manatitra mpianatra sns… Tsy mandray karama ny vehivavy rehefa manao izany, nefa rehefa maka mpanampy dia sandaina vola ihany izany asa rehetra izany. Etsy an-daniny ihany koa, misy ireo karazana fifanolanana arak’asa vaovao tsy maintsy hitranga, manoloana ny firoborobon’ny teknôlôjia avo lenta. Mety hisy, ohatra, ny asa hofoanana, fa ho ampanaovina ny « intelligence artificielle », ka mety hitory ny mpiasa noho ny fandroahana tsy ara-drariny (licenciement abusif).

Antenaina hitondra fomba fijery vaovao eo amin’ny tontolon’ny asa, amin’ny ankapobeny, ity fiofanana norantovin’ny Mpitsara sy mpanara-maso momba ny asa ity.

Lire la suite

Articles Similaires