• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ict-Io
Image
Vaovao

Asa ho an'ny Tanora : Fampiofanana maimaimpoana ho an'ireo te hiasa amin'ny Call Center

23/01/2024 06:31 © Moov

Miroborobo tokoa ny sehatra "Offshore" eto Madagasikara. Azo lazaina fa mamelona tanora maro ireo "Call Center" eto Antananarivo. Mila traikefa nefa ny fidirana amin'izany. Ny fanamorana ny fahitana asa no imasoan'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak'asa ka anolorany izao fampiofanana maimaimpoana izao.

Raha tsiahivina, nanao fianianana avokoa ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta tamin'ny fotoana nanendrena azy ireo. Ho fanatanterahana ny vina fampandrosoana izay nanomezan-toky ny vahoaka Malagasy, ny tanora no nosafidian'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak'asa karakaraina manokana.
Ho tanterahina ny zoma 26 janoary ho avy izao ny fampiofanana mikasika ny “GESTION RELATIONS CLIENTS EN APPELS ENTRANTS ET SORTANTS (CALL CENTER)”. Ny tanora 18 taona no mihoatra no kendrena hisitraka izany. Voafetra ny toerana satria 200 ihany no hiatrika izany fampiofanana maimaimpoana izany. Azo antoka fa mbola hisy ny fampiofanana manaraka handraisana ireo andiany tsy voaray amin'ity "vague 1" ity.

Fisoratana anarana "obligatoire"

Ireo rehetra te hanatrika ny fiofana dia tsy maintsy misoratra anarana amin'ny alalan’ny mailaka « fpcallcenter.metfp@gmail.com », hatramin’ny Alarobia 24 Janoary 2024 izao. Ny CV sy "Lettre de motivation" no alefa amin'izany, ka marihana tsara ao anatin'ireo taratasy ireo ny laharana telefaonina sy ny adiresy mailaka.
Ny Zoma 26 Janoary 2024, ao amin’ny amphi A, METFP, Complexe Ampefiloha, no fotoana !

« Olo mahay raha tsy very mandeha »


Copyright Image : © METFP

Lire la suite

Articles Similaires