• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Maroc : Mpanohana mavitrika ny Fampianarana Teknika eto Madagasikara

23/01/2024 06:10 © Moov

Manamafy ny fanohanany an'i Madagasikara ireo vahiny isan-tokony taorian'ny nanavaozana ny mpikambana ao amin'ny Governemanta vaovao, tarihan'ny Praiminisitra Christian Ntsay. Tsy vitsy ireo Ministera no mandray fitsidihan'ireo Masoivoho sy Solontena iraisampirenena.

Efa maromaro ireo tetikasa nanohanan'i Maroc an'i Madagasikara teo amin'ny sehatry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Anisan'izany ohatra ny nananganana ny Ivotoerana fanofanana arak’asa lehibe any Antsirabe, novatsian'ny Mpanjakan’i Maroc Sa Majesté Mohamed VI vola.
Omaly 22 janoary no nitsidika ny minisitra vaovao, Lalatiana Rakotondrazafy, ny masoivohon’i Maroc miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa MOHAMMED Benjilany. Nanamafy ny fanohanany ny Nosy ny tenany. Teboka roa no nodinihina tamin'izany. Voalohany ny fahafahana miroso amin’ny fanokafana sy ny fampiodinana izany Ivotoerana izany ny 2 tonta androany, aorian’ny fitokanana iandrasana ny fahatongavan’ny Mpanjaka Marokana eto amintsika. Teboka faharoa kosa ny fanohizana ny fandefasana mpianatra hanao fiofanana arak’asa any Maroc tahaka ny efa fanao isan-taona.
Nandritra izany fihaonana izany no nanazavan-dRamatoa Minisitra ny fandaharanasany ao anatin’ny 100 andro sy ny antonona ezaka ary ny lavitra ezaka. Nifanome toky ny roa tonta fa hanatanteraka dingana lehibe, amin'ity taona 2024 ity.

Lire la suite

Articles Similaires