• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fiahiana ara-tsosialy : Fanambin’ny ministeran’ny asa ny hisitrahan’ny mpiasa tena izany

22/01/2024 16:41 © Moov.Mg

Niova ho Ministeran’ny asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana ny anaran’ny Ministera miandraikitra ny asa eto Madagasikara, izany hoe : noesorina ilay hoe : « fiahiana ara-tsosialy ». Na izany aza anefa dia mbola miandraikitra izany hatrany ity Ministera ity.

Mpiasa tena

Araka ny fanazavana nomen-dRazakaboana Hanitra, minisitra vaovao mitantana Ministeran’ny asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, dia mbola tafiditra ao anatin’ny anjara andraikiny tanteraka ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa. Voakasik’izany ireo mandoa latsakemboka ao amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS. Fa isan’ny efa dinihina ihany koa ny momba ireo mpiasa tena, toy ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ary mpanjono, na ihany koa ireo mpanao asa an-tselika, izay manao asa tena ka tsy manana mpampiasa. Efa misy ny sori-dalana hampisitrahana ireo sokajina mpiasa ireo ny fiahiana ara-tsosialy, taorian’ny atrikasa notanterahina tamin’iny taona lasa iny, izay nijerena ny tondrozotra entina manatanteraka izany fanamby izany.

Sehatra tsy manara-drafitra

Araka ny fantatra dia ambany ny tahan’ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara, na ny eny anivon’ny orinasa aza, satria manodidina ny 20% izany. Ao anatin’ity fanamby entina manatsara ny fiahiana ara-tsosialy ity, izay efa nahazo ny fankatoavan’ny filàn-kevitry ny Governemanta, dia hampidirina ho isan’ny mpisitraka ny fiahiana sosialy arahina latsakemboka ihany koa ireo vondron’olona marefo sy ireo mpiasa amin’ireo sehatra tsy manara-drafitra.

Lire la suite

Articles Similaires