• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Niaouly
Image
Vaovao

Fangatahana pasipaoro : Ho azo ampiasaina ny aterineto hametrahana antontan-taratasy

22/01/2024 14:21 © Moov.Mg

Raha misy sampan-draharaham-panjakana iray tena mampimenomenona ny olona, dia ny ao amin’ny fanamboarana ny pasipaoro. Malaza ratsy amin’ny fahaelan’ny asa, ny kolikoly, sy ny fandraisana tsy matianina. Hiova kosa izany manomboka izao, raha ny fanavaozana tian’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka apetraka.

Fanavaozana goavana

Nitsidika ny sampan-draharaha miandraikitra ny pasipaoro, eo anivon’ny polisim-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police Herilala Rakotoarimanana, ny sabotsy lasa teo. Ity fidinana ifotony ity dia nentiny nijerena ny lamina mipetraka sy ny fikirakirana ny antotan-taratasy fangatahana pasipaoro. Raha efa izany dia nahafahana nahita ny fanatsarana hapetraka, mba hanamorana sy hanafainganana ny fanatanterahana ny asa. Nanome toromarika, araka izany ny Minisitra, ny amin’ny tokony hanatsarana ny kalitaon’ny tolotry ny polisim-pirenena momba ny fanomezana pasipaoro. Hisy ireo fanavaozana hotanterahina, ka hanana anjara toerana lehibe ao anatin’izany ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina. Atsy ho atsy, noho izany, dia ho azo atao ny maka fotoana ao anaty tranonkala (rendez-vous en ligne) sy mametraka ireo antontan-taratasy fangatahana, amin’ny alalan’ny aterineto ihany koa.

Ady amin’ny kolikoly

Tafiditra ao anatin'ny 100 andro voalohan’ny fotoam-piasan’ny Filoham-pirenena izao fanavaozana hotanterahina eo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisim-pirenena miandraikitra ny pasipaoro izao. Noho izany, tsy hiandry ela ny fampiharana ireo paikady vaovao, araka ny nambaran’ny contrôleur général de police Herilala Rakotoarimanana. Hotanterahina ao anatin’ny fahitsiana sy fandavana ny kolikoly ny asa rehetra, ary hatao ao anatin’ny maha-matianina tanteraka. Nisy, ankoatra izay ny toromarika nomen’ny Minisitra, ny amin'ny fametrahana fomba fiasa izay manamora ny fahafantaran'ny mpisitraka ny antotan-taratasy ilaina sy ny paika arahina raha hametraka fangatahana.

Lire la suite

Articles Similaires